FANDAHARANA VAOVAO « LAZAO NY MARINA » AO AMIN’NY TVM SY AO AMIN’NY PEJY « LAZAO NY MARINA » ISANANDRO AMIN’NY 8 ORA ALINA

66
MANGARAHARA AMIN’NY FITANTANAN-DRAHARAHAM-PANJAKANA
Misy seho mety mampiahiahy ny olom-pirenena ?
Misy tranga izay tsy mazava loatra ?
Misy fanapahan-kevitra izay mety tsy azon’ny olom-pirenena loatra ny antony?
Misy tsaho aely ka mety hampisavorovoro saina?
Ny fitondram-panjakana dia tsy olona iray na olona 10 na olona 20 monja fa misy tompon’andraikitra marobe isan’ambaratongany arakaraky ny sehatrasa avy. Misy mpanapa-kevitra maro isan’ambaratongany koa afaka mitondra fanazavana ho anao olom-pirenena mba tsy hihinana am-bolony na hiaina amin’ny tsaho sy ny honohono lava.
Natao ho an’izany ny fandaharana « LAZAO NY MARINA ».
Fandaharana vaovao arahinao ISANANDRO ao amin’ny TVM amin’ny 8 ora alina sy ao amin’ny pejy Facebook « Lazao ny marina »
Omaly Zoma 7 May 2021 no fandaharana voalohany mahakasika ny vaksiny, anio kosa dia ny resaka mahakasika fiaramanidina kely niantsona tao amin’ny seranam-piaramanidina Arrachart Antsiranana no hoentina aminao.