FAMPAHAFANTARANA BOKY TAO AMIN’NY CLAC MANJAKANDRIANA

33

Nitety sekoly maro teto Manjakandriana ny boky mitondra ny lohateny « Ireo malagasy fefika tao amin’ny nosy Tromellin » nandritra ny telo herinandro. Omaly dia nihaona tamin’ireo ankizy mpikambana ao amin’ny CLAC Manjakandriana i Veloniaina Rabakoly, mpanoratra ary nandika io boky io amin’ny teny malagasy. Ny hetsika dia tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asan’ny Minisitera « Ndao hamaky boky ! »