FANOHIZANA NY HETSIKA « NDAO HAMAKY BOKY AN-KALAMANJANA » TETO ANTSIRABE

44
Tontosa teto Antsirabe, Renivohitry ny faritra Vakinankaratra, omaly ny hetsika « Ndao hamaky boky an-kalamanjana ».
Amin’ny maha hetsika hanomezan-danja ny fanentanana ny zaza, ny tanora sy ny vondron’olona tsy an-kanavaka, hazoto sy hankafy ny vaky boky azy izay, mametraka vina sy tanjona ary paikady ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny hitety toerana maro, hameloma-maso izay lalan-tsaina izay.
Nambaran’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana ANDRIATONGARIVO, fa manana ny toerany manokana amin’ny fandratoana fahalalana ny famakiana boky, indrindra ho an’ny kilonga mpianatra sy ny tanora.
Vory lanona teo anoloan’ny Gare Antsirabe ireo kilonga sy tanora maro, niaraka tamin’i Ramatoa Minisitra, nanatanteraka ny fanombohana ny hetsika, izay narahina fifampizarana ihany koa. Anisan’ny niara-niasa tamin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, amin’ny alalan’ny Tranombokim-pirenena, nandritra ny hetsika Ndao hamaky boky an-kalamanjana, raha ny teto Antsirabe, ny Alliance Française, ny Bibliothèque Chretienne ary ny Centre Culturel Saint Paul.