FANOKAFANA NY FAMPIRANTIANA SARY PIKA NATAON’NY « EAST FOCUS » AO AMIN’NY MOZEA VAVITIANA TOAMASINA.

42
Taorinan’ny fampirantiana ny sanganasan’ny mpaka sary fanta-daza Jacques Faublée tao amin’ny Mozea Vavitiana Toamasina dia ireo mpaka sary ao amin’ny EAST FOCUS no hampiranty ny sanganasany mandritra ny telo volana.
Nanararaotra ny fandalovany teto Toamasina i Ramatoa Minisitra Lalatiana ANDRIATONGARIVO hanokatra izany fampirantiana izany.
Manasa antsika eto Toamasina hitsidika izany fampirantiana izany.