FANOKANANA NY MOZEA « TRANO SARY » SY FANOKAFANA NY FAMPIRANTIANA « NY TARIKA MAHALEO »

44
Notokanana io maraina io ny « TRANO SARY » na ny « Musée des archives iconographiques » etsy Ambohidahy, ex-ANTA. Trano nohavaozina tanteraka rehefa teo am-pirodanana noho ny tsy fisian’ny fanamboarana nandritra ny taona maro.
Navadika Mozea andraisana ireo vokatra momba ny sary pika sy ny horonan-tsary ity trano ity ary ratsa-mangaika vaovaon’ny Tranombokim-pirenena eto Madagasikara.
Naharitra volana maromaro ny fanamboarana noho ny hahenjan’ny fahapotehan’ny trano.
Hisantatra ny fampirantiana ato amin’ny TRANO SARY ary haharitra telo volana ny momba « NY TARIKA MAHALEO ».
Azontsika tsidihana isan’andro manomboka amin’ny 9 ora ka hatramin’ny 4 ora hariva. Maimaim-poana ny fitsidihana.