FANOMEZAM-BONINAHITRA FARANY AN’I TAA TENSE

295
Tontosa ny hariva teo tetsy amin’ny Gymnase Couvert Akorondrano, ny fanondrotana ho eo amin’ny laharam-boninahitra Chevalier de l’ordre National Malagasy an’i RAJAONARIVONY Tsizaraina Nathalie Hortense na i Taa Tense.
Nanatanteraka izany araka ny didim-panjakana laharana 2021-351 tamin’ny 26 Marsa 2021, araka ny fahefana nomena azy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana ANDRIATONGARIVO.
Niara niombona, nifanotrona teny an-toerana ny mpiara-miasa eo anivon’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny Tale Jeneraly misahana ny tetik’asan’ny Filoham-pirenena, ireo mpanakanto maro fa indrindra ireo mpankafy an’i Taa Tense.
Raha ny fandaharam-potoana, nanainga teto Antananarivo io hariva io ihany ny nofo mangatsiakany ka hihazo avy hatrany an’i Fandriana, Amoron’i Mania ary handrasana ao Ambohibary Fandriana ny Talata 30 Marsa. Ny Alarobia kosa no hanatanterahana ny fanitrihana ny razana ao Ampotaka Ankafobalo, misy ny fasan-drazany.
Mandria am-piadanana Taa Tense.