Ho tsiaro sy tsiahy ho an’i JEAN Fredy

38
Anisany fanambin’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny fameloma-maso ireo mozika Malagasy nalaza tany aloha sy ny momba ireo mpanakanto nanandratra avo ny lazan’ny mozika Malagasy.
Ho tsiaro sy tsiahy ho an’i JEAN Fredy mpanakanto Kaiamba nalaza tamin’ny taona 70-80-90, dia nisy ny fandaharana manokana tamin’ny alalan’ny onjam-peo izay nokarakarain’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Analanjirofo izay nandraisana ireo mpanakanto nifanerasera taminy: RAZAFIARISON Francis Alexandre, JAOJAOBY Eusèbe, Le Grand Maître Tianjama, BEVALALA Bernard, JEAN Franconi ( zanak’i JEAN Fredy) , Prosh’Ely, OZA Jérôme, RABEMANANTSOA Vola Sandra ( zanak’i Dede Fenerive).
Ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fandaharana dia samy nanipika fa mpanakanto goavana sy nanao mozika misy fototra i JEAN Fredy.
JEAN Fredy izay nitsingerina ny Alahady 16 May lasa teo ny datin’andro nahafetasany, feno 20 taona.
Izy izay teraka ny 3 Martsa 1952 tao amin’ny Kaominina Ampasina-Maningory distrikan’i Fenoarivo-Atsinanana ary nodimandry ny 16 May 2001 tao Toamasina.
Maro ireo hira nahafantarana azy: tambitamby lava, anjarantsika roa, sigara mentola, ….
*Ilay trotroin’ny reniny io i Jean Fredy tamin’ny mbola kely
Ireo 3 mianadahy maka sary akaiky Tsangambato io ny zanak’i Jean Fredy.