Actualités > NY FIANGONAN’I JESOA KRISTY

NY FIANGONAN’I JESOA KRISTY


Fampitaovana ho fanohanana ireo fantsona entina hampitana ny hafatra sy hanamafisana ny fanentanana amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.Fitaovana maro toy ny solosaina avolenta,  vata fahitalavitra, fitaovana fakan-tsary mihetsika, sy “Table de régie” no noraisin-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina MARA Volamiranty Donna, androany. Izy ity izay vokatry ny fiaraha-miasa ary natolotry ny Fiangonan’I Jesoa Kristy ho an’ny olomasin’ny andro farany mba hahafahana manatsara sy manavao ireo fitaovana ampiasain’ny haino aman-jerim-panjakana ho nomerika. Hisitraka ireo fitaovana ireo ny rantsa-mangaikan’ny minisitera any amin’ny faritra. Ary ezahana ihany koa ny hanome anjara ho an’ireo haino aman-jery tsy miankina amin’ny fanjakana hijerevana ireo tena miara-misalahy amin’ny resaka fanabeazana sy ny fahasalamana ary ny Kolontsaina hoy hatrany ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Mara Volamiranty Donna Mara Donna.

NY FIANGONAN’I JESOA KRISTY
NY FIANGONAN’I JESOA KRISTY
NY FIANGONAN’I JESOA KRISTY
NY FIANGONAN’I JESOA KRISTY
NY FIANGONAN’I JESOA KRISTY
NY FIANGONAN’I JESOA KRISTY
NY FIANGONAN’I JESOA KRISTY
NY FIANGONAN’I JESOA KRISTY
NY FIANGONAN’I JESOA KRISTY
NY FIANGONAN’I JESOA KRISTY
NY FIANGONAN’I JESOA KRISTY
NY FIANGONAN’I JESOA KRISTY
Publie le 10/06/2025 Par 451512 Categorie: Actualités