Efa nataoko laharam-pahamehana hatrizay fa ny marina hatrany no ho lazaina anareo vahoaka Malagasy.Koa manoloana ny raharaha mikasika ny fanapoizinana niteraka famoizana ain’olona maro dia mampiantso ireo Minisitra tompon’andraikitra aho ao amin'ny Lapam-pajakana ao Iavoloha, ka hanome ny tatitra sy fanazavana rehetra ho antsika izy ireo. Harahinao mivantana ao amin'ny haino amanjery TVM sy RNM izany ny Alakamisy 24 jolay amin'ny 8 ora alina, mba tsy ho tompon-trano mihono ny Malagasy, indrindra ireo manana havana maty sy mbola miatrika fitsaboana.