“Ao anaty fihetsehampo fa indrindra ao anatin’ny hafaliana no ahafahako miaraka aminareo rehetra eto androany. Satria ilay nofinofy sy vinavina tao an-tsaintsika no hita taratra ary afaka tsapain-tanana sy afaka andehanana androany, satria napetraka ny fanamby ary tratra ny tanjona”. Io teny io no nanombohan’ny Filoha Andry Rajoelina ny kabariny nandritra ny lanonana fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny ampahany voalohany amin’ny lalambe migodana Antananarivo - Toamasina, izay nomena ny anarana hoe AR1, na “Autoroute numéro 1”.Ny filoham-pirenena Andry RAJOELINA niaraka tamin’ny ramatoa vadiny Mialy R. Rajoelina, no nitarika ity lanonana ity. Nanotrona azy ireo ihany koa ny Mpanjakan’i Eswatini, Mwsati III sy ramatoa vadiny, ny filoham-pirenen’i Zimbabwe, Emmerson Mnangagwa, ary ny Praiminisitry ny Fanjakan’i Lesotho, Sammuel Ntsokoane Matekane, sy ny sekretera mpanatanteraky ny SADC, Elias Magosi. Izy ireo izay isan’ireo olo-manan-kaja ambony vao avy nandray anjara tamin’ny Fihaonana an-tampon’ireo Filoham-panjakana sy governemanta an’i SADC, omaly alahady 17 Aogositra 2025.