Tamin'ny taona 2020 ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina no nanambara ny tsy maintsy hamerenana ny Kabeson'i Ampanjaka Toera eto an-tanindrazana ka izao tanteraka izao. Toetsaina vonona handroso, mifantoka amin'ny fitiavan-Tanindrazana, toetsaina miady hatramin'ny farany, ho an'ny voninahi-pirenena, izany no toetsaina lovaintsika tamin'ny Ampanjaka Toera sy ireo maherifon’ny firenena hoy ny Filohan’ny Repoblika.Taorian'ny lanonana tao amin'ny Mausolée dia hizotra ho any amin’ny Faritra Menabe ireo kabeso izay hapetraka ao amin’ny zomban'i Belo TsiribihinaMinisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina