Actualités > TETIKASA FAMETRAHANA NY TOBIM-PAMOKAR...

TETIKASA FAMETRAHANA NY TOBIM-PAMOKARANA HERINARATRA 105MW AO AMBOHIMANAMBOLA

Nitarika fivoriana niaraka amin'ireo tompon’andraikitra voakasiky ny tetikasa fametrahana ny tobim-pamokarana herinaratra 105MW ao Ambohimanambola ny Filohan’ny Repoblika androany tao amin'ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra. Nanterin'ny Filoha Andry Rajoelina fa laharam-pahamehana ireo asa rehetra mikasika ity tetikasa ity izay hipàka mivantana amin’ny andavanandron'ny vahoaka. Nanome toromarika ireo tompon’andraikitra ihany koa tenany hanafaingana ny fanatanterahana ity tetikasa ity sy hanamaivana ny dingana ara-taratasy momba izany. Afaka roa herinandro eo no hanomboka ny fitaterana ireo fitaovana vaventy sy saro-pady ilaina amin’ny fananganana izany tobim-pamokarana herinaratra izany avy ao Toamasina makany Ambohimanambola. Tanjona ny hampitomboana ny famokarana herinaratra eto an-drenivohitra indrindra mialohan'ny vanim-potoana ny main-tany.Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bolaMinistère de l'Energie et des HydrocarburesMinistère des Travaux Publics - Madagascar

TETIKASA FAMETRAHANA NY TOBIM-PAMOKARANA HERINARATRA 105MW AO AMBOHIMANAMBOLA
TETIKASA FAMETRAHANA NY TOBIM-PAMOKARANA HERINARATRA 105MW AO AMBOHIMANAMBOLA
TETIKASA FAMETRAHANA NY TOBIM-PAMOKARANA HERINARATRA 105MW AO AMBOHIMANAMBOLA
TETIKASA FAMETRAHANA NY TOBIM-PAMOKARANA HERINARATRA 105MW AO AMBOHIMANAMBOLA
TETIKASA FAMETRAHANA NY TOBIM-PAMOKARANA HERINARATRA 105MW AO AMBOHIMANAMBOLA
Publie le 12/09/2025 Par 451512 Categorie: Actualités