Notanterahina androany 31 oktobra 2025 tao amin'ny Akademia Miaramila Antsirabe ny lanonana ara-miaramila famoahana amin'ny fomba ofisialy ireo Manamboninahitra miaramila nahavita ny fiofanana avy amin'ny andiany mivantana faha-46 miisa 65 mianadahy, misalotra ny anarana "πππ―ππππ©π€π’ππ€ πππ€π£ ππ«ππ§ππ¨π©π" sy ny andiany manokana faha-27 miisa 20 mianadahy, izay misalotra ny anarana "πππ¨π€ππ‘ππ£π".Nanome voninahitra ny lanona ireo Mpanolotsaina avo efatra mivondrana ao anatin'ny kaomity ambony eo anivon'ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, izay nisolo tena ny Filoham-panjakana, ary notronon'ireo tompon'andraikitra ambony eo anivon'ny Tafika sy ny Zandary ary ireo olomanan-kaja Sivily sy Miaramila.Tao anatin'izany indrindra dia natao androany ihany koa ny batemin'ireo andiany mivantana faha-47, izay miisa 62 mianadahy, misalotra ny anarana "πππ¨ππ", sy ny adiany iraisam-piadiana faha-22 miisa 40 mianadahy, mitondra ny anarana "60 ππ£π£ππ«ππ§π¨πππ§π ππ π‘'πΌππππΜπ’ππ πππ‘ππ©πππ§π". Ankoatra izay dia nisy ny fametrahana ny vato-fototra ho fanatsarana ny Sekoly ambony sy fanokanana ny "infirmerie" ao amin'ny Akademia nataon'ireo manam-pahefana ambony, taorian'ny famaranana lanona ara-miaramila, tamin'ny alalan'ny matso. DΓ©pΓͺche Informative Taratra