Tonga nihaona mivantana, tamin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Andriamatoa Michaël RANDRIANIRINA, tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany, ny Solontena maharitry ny Banky Iraisam-pirenena, 𝐶𝑜𝑢𝑛𝑡𝑟𝑦 𝑀𝑎𝑛𝑎𝑔𝑒𝑟 misahana an’i Afrika, Andriamatoa Atou SECK. Nodinihina nandritra ny fihaonana ireo tetikasa iarahan’i Madagasikara sy ny Banky Iraisam-pirenena, ny endrika fiaraha-miasa vaovao ho fanohanana ny asa fampandrosoana ary ny paikady nasionaly ho an’ny Fanavaozana ny Repoblika.Noresahana manokana ihany koa ny fitadiavana vahaolana amin'ny fe-potoana fohy sy antoniny mba ahafahan’ny vahoaka malagasy misitraka rano fisotro madio sy herinaratra. Présidence de la Refondation de la République de Madagascar - PRRM