©️ Présidence de la Refondation de la République de Madagascar - PRRM Omaly 07 novambra 2025 no nanatanterahina ny fivoriana tsy ara-potoana nampitain-davitr’ireo Filoham-panjakana sy Governemanta mpikambana ao amin’ny vondrona SADC.𝐍𝐢𝐬𝐨𝐥𝐨𝐭𝐞𝐧𝐚 𝐚𝐧’𝐢 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐢𝐳𝐚𝐧𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐚𝐯𝐚𝐨𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐑𝐞𝐩𝐨𝐛𝐥𝐢𝐤𝐚𝐧’𝐢 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚, 𝐀𝐧𝐝𝐫𝐢𝐚𝐦𝐚𝐭𝐨𝐚 𝐑𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐚𝐧𝐢𝐫𝐢𝐧𝐚 𝐌𝐢𝐜𝐡𝐚𝐞𝐥. Nitafa tamin’ ireo Filoha sy Lehiben’ny Governemanta ao amin’ny SADC izy noho izany mba hanehoana firaisankina sy hanamafisana ny fiaraha-mientana ho amin’ny fampandrosoana iombonana.𝐓𝐚𝐩𝐚𝐤𝐚 𝐧𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐧𝐲 𝐟𝐚 𝐀𝐟𝐫𝐢𝐤𝐚 𝐀𝐭𝐬𝐢𝐦𝐨 𝐧𝐨 𝐡𝐢𝐭𝐚𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚 𝐯𝐨𝐧𝐣𝐢𝐦𝐚𝐢𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐒𝐀𝐃𝐂 . Nohamafisin’ny Filoham-panjakana malagasy, Andriamatoa Randrianirina Michael, fa mandala ny foto-kevitry ny SADC dia ny Firaisankina, Filaminana sy Fampiroboroboana i Madagasikara. 𝐀𝐦-𝐩𝐚𝐧𝐞𝐭𝐫𝐞𝐭𝐞𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐡𝐚𝐥𝐚𝐥𝐚̀𝐧𝐚 𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐚𝐤𝐨𝐧𝐲 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐚𝐧𝐣𝐚𝐫𝐚 𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐢𝐤𝐢𝐭𝐫𝐚, 𝐧𝐨 𝐧𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐧’𝐢 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐩𝐚𝐡𝐚-𝐤𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐡𝐢𝐚𝐥𝐚 𝐭𝐬𝐲 𝐡𝐨 𝐅𝐢𝐥𝐨𝐡𝐚 𝐦𝐩𝐢𝐭𝐚𝐫𝐢𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐒𝐀𝐃𝐂. Ao anaty kihon-dalana sy dingana lehibe amin’ny Fanavaozana hoy izy ny firenena. Miompana tanteraka anaty 𝐟𝐚𝐦𝐞𝐫𝐞𝐧𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐭𝐨𝐤𝐢𝐬𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐡𝐨𝐚𝐤𝐚 𝐦𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐀𝐧𝐝𝐫𝐢𝐦-𝐩𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚𝐧𝐚 𝐝𝐞𝐦𝐨𝐤𝐫𝐚𝐭𝐢𝐤𝐚 𝐚𝐫𝐲 𝐥𝐨𝐯𝐚𝐢𝐧𝐣𝐚𝐟𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐚𝐯𝐚𝐨𝐳𝐚𝐧𝐚. Naneho fankasitrahana feno ihany koa ny Filoham-panjakana malagasy ny amin’ny fandraisan’ny SADC toerana am-piheverana sy ny fanapa-kevitra voalanjalanja izay hoentiny.