Actualitรฉs > FANAVAOZANA ETO MADAGASIKARA, FANANTE...

FANAVAOZANA ETO MADAGASIKARA, FANANTENANA HO AN'I AFRIKA

๐‘ณ๐’‚๐’‘๐’‚๐’'๐’Š ๐‘ด๐’‚๐’‰๐’‚๐’›๐’๐’‚๐’“๐’Š๐’—๐’[๐‘ญ๐’‚๐’‰๐’‚-8 ๐’๐’๐’—๐’‚๐’Ž๐’ƒ๐’“๐’‚ 2025]Noraisin'Andriamatoa Praiminisitra Lehiben'ny Governemantan'ny Fanavaozana, Rajaonarivelo Herintsalamana Andriamasy teto Mahazoarivo androany, ny iraky ny Vondrona Afrikana hijery ifotony ny toe-draharaha misy eto amin'ny Firenena, niaraka tamin-dRamatoa Minisitry ny Raharaham-bahiny, Razanamahasoa Christine. Ny delegasion'ny Vondrona Afrikana kosa dia notarihan'Andriamatoa Ndayizeye Domitien, niaraka amin'ireo iraka manokan'ny Filohan'ny Vaomieran'ny Vondrona Afrikana, ary mpikambana sasany anatin'ny "Filankevitry ny olon-kendry" anivon'ny Vondrona Afrikana.Nanamafy ny Praiminisitra fa manana anjara toerana goavana amin'ny haipolitika ara-toetany ny kontinanta Afrikana ankehitriny, ary tsy azo alana amin'izany i Madagasikara. Naneho ny alahelony ny Praiminisitra raha nilaza fa tsy rariny raha vahoaka nitaky ny zony sy ny fiovana eto amin'ny Fireneny, no hibaby ny vokatry ny fampiatoan'ny Vondrona Afrikana an'i Madagasikara. Tsy politika ihany mantsy no voakasik'izany fa mihantona ho azy hatramin'ireo fiaraha-miasa marolafy, izay natao indrindra hisitrahan'ny vahoaka ireo karazan-jo fototra mifaningotra amin'ny hasina maha-olona. "Nitsangana ka nitaky ireo zo ireo ny vahoaka, ary mendrika ny nohenoina" hoy ny Praiminisitra.Raha nandray fitenenana ireo solontena mandrafitra ny iraka avy amin'ny Vondrona Afrikana, dia nanamafy fa tonga hijery ny zava-misy marina eto Madagasikara, ary hanome tanana ny Firenentsika hizorana amin'ny fametrahana rafitra mari-toerana sy maharitra ; hiasa ho an'ny fampandrosoana marina. Nambaran'izy ireo moa fa hifanakalo amin'ireo herivelona rehetra eto amin'ny Firenena no tena anton-diany, ka izay no antony nihaonany tamin'ny Lehiben'ny Governemantan'ny Fanavaozana.๐—ก๐˜† ๐—ฆ๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ๐˜€๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ

FANAVAOZANA ETO MADAGASIKARA, FANANTENANA HO AN'I AFRIKA
FANAVAOZANA ETO MADAGASIKARA, FANANTENANA HO AN'I AFRIKA
FANAVAOZANA ETO MADAGASIKARA, FANANTENANA HO AN'I AFRIKA
FANAVAOZANA ETO MADAGASIKARA, FANANTENANA HO AN'I AFRIKA
FANAVAOZANA ETO MADAGASIKARA, FANANTENANA HO AN'I AFRIKA
FANAVAOZANA ETO MADAGASIKARA, FANANTENANA HO AN'I AFRIKA
FANAVAOZANA ETO MADAGASIKARA, FANANTENANA HO AN'I AFRIKA
Publie le 10/11/2025 Par 451512 Categorie: Actualitรฉs