Vaovao momba ny𝑭𝒂𝒏𝒂𝒏𝒂𝒏-𝒕𝒂𝒏𝒚 sy Raharahan-tany© Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany Ho fanatanterahana ny baiko izay nomen’Atoa Ministry ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany (MATSF) mahakasika ny fanatsarana ny asa ary fanamorana ny fanomezana antotan-taratasin-tany, dia nitondra fanampim-panazavana ireo tompon’andraikitra ara-teknika ao amin’ny Sampandraharahan’ny Fananantany sy Fandrefesantany. 1- « Famoahana dika mitovy » vita eo no ho eo : - Saritany (plan) : nahena ho 15.000 Ar (raha 20.000 ar izany teo aloha) ; - Fanamarinana fananantany (Certificat de situation juridique) : nahena ho 10.000ar raha 20.000ar izany teo aloha2- « Boky sy Saritany rovitra » : Maimaim-poana ny famoahana antotantaratasy ho entina eny amin’ny fitsarana, manamarina fa rovitra ny boky na ny saritany. 3- Ny « vidin’ny tanim-panjakana » : Araka ny fantatra dia efa misy ny fitsipika mifehy ny « fourchette de prix de terrain de l’Etat ». Koa noraisina ny fampiharana ny vidiny farany ambany amin’ny tanim-panjakana mba ho fanamorana ny fahazoan’ny malagasy rehetra zo fisitrahana ny taniny. 4- « Fampiharana ny mangarahara » eo amin’ny vola aloa amin’ny fikarakarana antotantaratasy fananan-tany sy ny asa fandrefesan-tany : Hisy « varavarana misokatra » hataon’ny Sampandraharahan’ny Fananantany sy Fandrefesantany rehetra manerana ny Nosy ny herinandro voalohan’ny volana Desambra izao, hampahalalana ny vahoaka mikasika ny asa sy ny toro-lalana mikasika izany.Tanjona napetraky ny fitondram-panjakana ankehitriny ny hisitrahan’ny vahoaka Malagasy rehetra ny asan’ny Fananantany sy ny Fandrefesantany ao anatin’ny fanamorana sy ny mangarahara tanteraka