Actualités > ANGANO SY NY POEZY

ANGANO SY NY POEZY


Akon'ny ny fanakalazana ny andro maneran-tany ho an'ny "Angano sy ny Poezia", tany amin'ny faritra. ( Tohiny)
Ny distrikan'Manjakandriana no nanamarihana izany andro izany ho an'ny Faritra Analamanga ny zoma 21 Marsa lasa teo. Ireo mpanoratra matihanina avy ao amin'ny Faribolana Sandratra no nizara traikefa tamin'ny fiantsàna tononkalo sy fitantarana angano nandritra izany ary mbola nitohy tao amin'ny radio RNM izany.
Ho an'ny faritry Sava dia tao amin'ny Centre d'incubation Tosik'Art Antanifotsy 1 no nankalazana Izany tao Sambava. Nanamarihana izany ny fifaninana Poezia, Tononkalo, jijy ary slam.
Tao amin'ny EPP Ambalatany Antsohihy kosa no nankalazana izany ho an'ny Faritra Sofia izay nomarihana tamin'ny fiantsàna tononkalo, fitantarana angano ary fampisehoana dihy nentim-paharazana.
Ho an'ny Faritra Amoron'ny Mania dia tao amin'ny lisea Ivato Centre no nanantanterahana izany ka fifaninana mamorona sy miantsa tononkalo sy fihainoana angano no nanamarihana izany.
Hoan'ny Faritra Ihorombe indray dia ny fahatsiarovana an'i DADASONA mpanoratra tononkalo no nanamarihana ny andro eran-tany hoan'ny Poezy niarahan'ny Fitaleava-paritry ny serasera sy ny kolontsaina Ihorombe izay natao teny amin'ny lycée Morarano. Fifaninanana antsa tononkalo nosoratan'i Dadason no natao hanomezana lanja kanto Malagasy nandritra izany.
Tanjon'ny fankalazana moa ny fanomezana hasina sy fampiroboroboana ny teny malagasy amin'ny alalan'ny angano sy poezia.

ANGANO SY NY POEZY
ANGANO SY NY POEZY
ANGANO SY NY POEZY
ANGANO SY NY POEZY
ANGANO SY NY POEZY
ANGANO SY NY POEZY
ANGANO SY NY POEZY
ANGANO SY NY POEZY
ANGANO SY NY POEZY
ANGANO SY NY POEZY
ANGANO SY NY POEZY
ANGANO SY NY POEZY
ANGANO SY NY POEZY
ANGANO SY NY POEZY
ANGANO SY NY POEZY
ANGANO SY NY POEZY
ANGANO SY NY POEZY
Publie le 24/03/2025 Par 451512 Categorie: Actualités