Actualités > HANAO FAMOTORANA MOMBAN'NY FITANTANAN...

HANAO FAMOTORANA MOMBAN'NY FITANTANANA NY JIRAMA NY ANTENIMIERAMPIRENENA


Taorian’ny Taratasy ofisialy avy amin’ny 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐞𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐀𝐧𝐠𝐨𝐯𝐨 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐀𝐤𝐨𝐫𝐚𝐧𝐚𝐟𝐨 nalefa ho an’ny 𝐀𝐧𝐭𝐞𝐧𝐢𝐦𝐢𝐞𝐫𝐚𝐦𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 dia namaly izany fangatahana izany avy hatrany ireo Solombavambahoaka ka niroso tamin’ny fananganana ny 𝐕𝐚𝐨𝐦𝐢𝐞𝐫𝐚 mpanao 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐝𝐢𝐡𝐚𝐝𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐭𝐚𝐨𝐧’𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐀𝐧𝐭𝐞𝐧𝐢𝐦𝐢𝐞𝐫𝐚-𝑒𝑛𝑞𝑢𝑒̂𝑡𝑒 𝑝𝑎𝑟𝑙𝑒𝑚𝑒𝑛𝑡𝑎𝑖𝑟𝑒 mba hahalalana ny tena 𝐳𝐚𝐯𝐚-𝐦𝐢𝐚𝐟𝐢𝐧𝐚 sy ny zava-misy marina momba ny fitantanana ny JIRAMA.Ity orinasa JIRAMa ity izay 𝗺𝗮𝗺𝗽𝗶𝗸𝗮𝗶𝗸𝗮𝗶𝗸𝗮 𝘁𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗻𝘆 𝘃𝗮𝗵𝗼𝗮𝗸𝗮 𝗺𝗮𝗹𝗮𝗴𝗮𝘀𝘆 ny tolotra avy aminy toy ny 𝒇𝒂𝒉𝒂𝒕𝒂𝒑𝒂𝒕𝒂𝒑𝒂𝒉𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝒉𝒆𝒓𝒊𝒏𝒂𝒓𝒂𝒕𝒓𝒂 𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝒕𝒔𝒚 𝒇𝒊𝒔𝒊𝒕𝒓𝒂𝒉𝒂𝒏𝒂 𝒓𝒂𝒏𝒐 𝒇𝒊𝒔𝒐𝒕𝒓𝒐 𝒂𝒓𝒂-𝒅𝒂𝒍𝒂̀𝒏𝒂 nefa dia vola tsy toko tsy forohana no famatsiam-bola azon’ny JIRAMA na avy amin’ny Fitondram-panjakana malagasy na avy amin’ireo mpamatsy vola avy any ivelany.Noho izany dia nolanian’ireo solombavambahoaka ny Alakamisy 11 desambra 2025 teo amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny Tolo-pehin-kevitra laharana faha-001-2025 /PR ny 15 Novambra 2025 entina manangana ny 𝐕𝐚𝐨𝐦𝐢𝐞𝐫𝐚 𝐦𝐩𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐟𝐚𝐦𝐨𝐭𝐨𝐫𝐚𝐧𝐚 momba ny fitantanana eo anivon'ny 𝐉𝐈𝐑𝐀𝐌𝐀.Solombavambahoaka miisa dimy ambiny folo (15) no mandrafitra ny 𝗩𝗮𝗼𝗺𝗶𝗲𝗿𝗮 𝗺𝗽𝗮𝗻𝗮𝗼 𝗳𝗮𝗺𝗼𝘁𝗼𝗿𝗮𝗻𝗮, izay hiasa avy hatrany, ka voafidy ho Filohany ny Solombavambahoaka 𝐑𝐀𝐙𝐀𝐅𝐈𝐍𝐃𝐑𝐀𝐌𝐀𝐒𝐘 𝐅𝐚𝐫𝐚𝐥𝐚𝐡𝐲 𝐂𝐞́𝐥𝐞𝐬𝐭𝐢𝐧 voafidy tao amin'ny Distrikan'i Benenitra.Nanambara ihany koa ny Minisitry ny Fitsarana 𝐅𝐀𝐍𝐈𝐑𝐈𝐒𝐎𝐀 𝐄𝐫𝐧𝐚𝐢𝐯𝐨 fa maniry ny minisitera mba tena ireo trondro vaventy fototry ny fitantanana gaboraraka no kendrena ao anatin’ny famotorana toy izao mba hahalalana ny tena 𝐳𝐚𝐯𝐚-𝐦𝐢𝐚𝐟𝐢𝐧𝐚 sy ny zava-misy marina momba ny fitantanana ny JIRAMA, ka vonona hifanolo-tanana amin’izany ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitsarana.

Publie le 12/12/2025 Par 451512 Categorie: Actualités