Nomarihina ny 12 desambra 2025 tetsy amin’ny Cité des Cultures Antaninarenina ny Andro natokana ho an’ireo mpirotsaka an-tsirapo frantsay izay miasa eto Madagasikara 𝐽𝑜𝑢𝑟𝑛𝑒́𝑒 𝑑𝑢 𝑉𝑜𝑙𝑜𝑛𝑡𝑎𝑟𝑖𝑎𝑡 𝐹𝑟𝑎𝑛𝑐̧𝑎𝑖𝑠 (JVF), hetsika iraisam-pirenena karakarain’i 𝘍𝘳𝘢𝘯𝘤𝘦 𝘝𝘰𝘭𝘰𝘯𝘵𝘢𝘪𝘳𝘦𝘴 izay nametrahana ny lohahevitra "𝑴𝒊𝒂𝒕𝒓𝒊𝒌𝒂 𝒇𝒂𝒏𝒂𝒎𝒃𝒚 𝒍𝒆𝒉𝒊𝒃𝒆 𝒏𝒚 𝒕𝒐𝒏𝒕𝒐𝒍𝒐 𝒊𝒂𝒊𝒏𝒂𝒏𝒂, 𝒌𝒂 𝒛𝒂𝒗𝒂-𝒅𝒆𝒉𝒊𝒃𝒆 𝒏𝒚 𝒂𝒏𝒋𝒂𝒓𝒂 𝒃𝒊𝒓𝒊𝒌𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒎𝒑𝒊𝒓𝒐𝒕𝒔𝒂𝒌𝒂 𝒂𝒏-𝒕𝒔𝒊𝒕𝒓𝒂𝒑𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒂𝒓𝒐𝒗𝒂𝒏𝒂 𝒔𝒚 𝒇𝒂𝒏𝒂𝒓𝒆𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒕𝒐𝒏𝒕𝒐𝒍𝒐 𝒊𝒂𝒊𝒏𝒂𝒏𝒂".Tonga nanome voninahitra ity andro fanamarihana ity, nisolo-tena ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina ny Talen’ny Kabinetra 𝐑𝐀𝐊𝐎𝐓𝐎𝐍𝐈𝐑𝐈𝐍𝐀 𝐇𝐚𝐬𝐢𝐧𝐚.Nanotrona ny hetsika ihany koa ny solotenan’ny Masoivoho Frantsay 𝐏𝐚𝐭𝐫𝐢𝐜𝐤 𝐁𝐎𝐒𝐃𝐔𝐑𝐄, Mpanolotsaina amin’ny fiaraha-miasa sy ny hetsika ara-kolontsaina eo anivon’ny Ambasady sy ny tompon’andraikitry 𝘍𝘳𝘢𝘯𝘤𝘦 𝘝𝘰𝘭𝘰𝘯𝘵𝘢𝘪𝘳𝘦𝘴 𝐑𝐀𝐌𝐀𝐑𝐈𝐉𝐀𝐎𝐍𝐀 𝐍𝐢𝐫𝐲.Nisongadina nandritra ny hetsika ny : Fampahafantarana ireo tetikasa maitso sy asa mifandraika amin’ny tontolo iainana, iarahana amin’ireo tanora mpirotsaka an-tsitrapo.Fanolorana loka sy mari-pankasitrahana ho an’ireo mpandresy tamin’ny fifaninanana isan-karazany nokarakarain’ny 𝘍𝘳𝘢𝘯𝘤𝘦 𝘝𝘰𝘭𝘰𝘯𝘵𝘢𝘪𝘳𝘦𝘴 nahitana ny fifaninana sary, fandraisana andraikitra momba ny fako, fanodinana.Fifanakalozana traikefa sy fanomezana sehatra ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny alalan’ny fanao asa fiarovana tontolo iainana 𝑖𝑛𝑖𝑡𝑖𝑎𝑡𝑖𝑣𝑒𝑠 𝑣𝑒𝑟𝑡𝑒𝑠.Ny 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐞𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐒𝐞𝐫𝐚𝐬𝐞𝐫𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐊𝐨𝐥𝐨𝐧𝐭𝐬𝐚𝐢𝐧𝐚, izay manana departemanta miandraikitra mivantana ireo mpirotsaka an-tsitrapo tarihin’ny Tale 𝐑𝐀𝐊𝐎𝐓𝐎𝐅𝐈𝐑𝐈𝐍𝐆𝐀 𝐍𝐲 𝐊𝐚𝐧𝐭𝐨 𝐄𝐥𝐲𝐬𝐚̀, dia manamafy ny firaisan-kina sy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpirotsaka an-tsitrapo frantsay eo anivon’ny 𝘍𝘳𝘢𝘯𝘤𝘦 𝘝𝘰𝘭𝘰𝘯𝘵𝘢𝘪𝘳𝘦𝘴, ho fanohanana hatrany ny asa soa sy ny fandraisana andraikitra mikasika ny 𝒇𝒊𝒂𝒓𝒐𝒗𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒕𝒐𝒏𝒕𝒐𝒍𝒐 𝒊𝒂𝒊𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝒌𝒐𝒍𝒐𝒏𝒕𝒔𝒂𝒊𝒏𝒂