Andro vitsy mialohanโny ๐จ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐, dia nitondra ๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ho anโireo mpiara-miasa eto anivonโny Minisiteranโny Serasera sy ny Kolontsaina i ๐ฎ๐จ๐บ๐ช๐จ๐น ๐ญ๐๐๐๐๐๐, nandritra ny fotoana fananganan-tsaina natao androany, noho ny fiaraha-mientana nasehonโny mpiasa tao anatinโizay fotoana roa volana voalohany niarahana niasa izay. Maro ny ๐๐ฏ๐๐ ๐ ๐ซ๐๐ฉ๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ข๐ฅ๐๐๐จ๐, ary nisy ny ๐๐๐๐ง๐๐๐-๐ข๐๐จ๐๐ก๐๐๐ฎ nanatanteraka ireo asa na teto anivonโny foibe na tany aminโireo Fitaleavam-paritra tsirairay ka mendrika ny ankasitrahana, na ny teo aminโny tontolonโny serasera sy ny haino aman-jerim-pirenena na teo aminโireo asa ara-kolontsaina maro."๐๐ ๐๐ฅ๐ ๐๐ง๐๐ฎ miara-manatanteraka ny asa ho anโny vahoaka sy ny Firenena", izay no lalan-tsaina apetraky ny Minisitra ankehitriny izay mamporisika ny mpiasa hatrany mba hametraka ho zava-dehibe ny asa-panjakana andrasanโny vahoaka mpisitraka, sy hanome lanja mandrakariva ny tombontsoa iombonana.Etsy andaniny dia nohararaotinโny Minisitra ity fotoana androany ity nitondrany ๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐-๐๐๐๐ ho anโireo mpiara-miasa rehetra hiatrika ny fiafaranโny taona am-pilaminana sy mba ho tratry ny taona vaovao indray.