Actualitรฉs > FIDINANA IFOTONY TANY AMIN'NY FARITRA...

FIDINANA IFOTONY TANY AMIN'NY FARITRA VAKINANKARATRA

[24 ๐˜‘๐˜ข๐˜ฏ๐˜ฐ๐˜ข๐˜ณ๐˜บ 2026]๐™‰๐™–๐™ข๐™–๐™ฃ๐™ฉ๐™–๐™ฉ๐™ง๐™– ๐™ฃ๐™ฎ ๐™ค๐™ก๐™–๐™ฃ'๐™ฃ๐™ฎ ๐™ข๐™ฅ๐™–๐™ฃ๐™™๐™ง๐™–๐™๐™–๐™ง๐™–๐™๐™– ๐™–๐™ง๐™–-๐™—๐™–๐™ง๐™ค๐™ฉ๐™ง๐™– ๐™–๐™ฃ๐™ฎ ๐˜ผ๐™ฃ๐™ฉ๐™จ๐™ž๐™ง๐™–๐™—๐™š ๐™ฃ๐™ฎ ๐™ˆ๐™ž๐™ฃ๐™ž๐™จ๐™ž๐™ฉ๐™ง๐™– ๐™ƒ๐™–๐™ž๐™ฃ๐™œ๐™ค๐™ฉ๐™ž๐™–๐™ฃ๐™– ๐˜ผ๐™‰๐˜ฟ๐™๐™„๐˜ผ๐™ˆ๐˜ผ๐˜ฟ๐™„๐™Ž๐™Š๐™‰, ๐™๐™–๐™๐™–๐™›๐™–๐™๐™–๐™ฃ'๐™ฃ๐™ฎ ๐™ˆ๐™ž๐™ฃ๐™ž๐™จ๐™ž๐™ฉ๐™š๐™ง๐™– ๐™ฉ๐™–๐™ฃ๐™ฉ๐™–๐™ฃ๐™ž๐™ฃ๐™ฎ ๐™ข๐™–๐™ฃ๐™–๐™ค ๐™ฉ๐™–๐™ฃ๐™ฉ๐™จ๐™ค๐™ง๐™ค๐™ ๐™–, ๐™๐™ž๐™ฉ๐™จ๐™ž๐™ฃ๐™Ÿ๐™ค๐™ซ๐™–๐™ฃ๐™– ๐™ฃ๐™ฎ ๐™ข๐™ฅ๐™–๐™ฃ๐™Ÿ๐™ž๐™›๐™–.Ministรจre du Commerce et de la Consommation Tany Antsirabe, any amin'ny Faritra Vakinankaratra, no nanatanterahan'ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana (MCC) ny toromariky ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, amin'ny fidinana ifotony ijerena ny zava-misy iainan'ny vahoaka, ahafahana manampy azy ireo.Tamin'ny alalan'ny Atrikasa tao amin'ny Efitrano malalaky ny Prefektioran'Antsirabe no nifanakalozany tamin'ireo mpivarotra mpamongady, mpaninjara, ary mpanafatra entana ka nanantitranterany ireo fepetra tsy maintsy raisina manoloana ny fisian'ny entana lany daty, ny fomba fitehirizana iantohana ny hatsarร n'ny entana, ary ny fametrahana ny vidin'entana ho hitan'ny mpanjifa.Fotoana koa io nampahatsiahivana ny andraikitry ny Minisitera misahana ny Varotra amin'ny fanatanterahana ny politikam-panjakana hisian'ny fifaninanana madio anatin'ny fanajร na ny Lalร na.Nahitsy ireo mpandraharaha tamin'ny fametrahana fanontaniana nanitikitika azy ireo toy ny fitadiavana lalam-barotra ho an'ny vokatra any amin'ny Faritra, sy ny fanamaivanana ny fepetra ahafahan'izy ireo manatanteraka ny asany.Nitohy avy hatrany tamin'ny fitsidihana ny tsenan'Asabotsy izany, izay nitsirihana ireo mpivarotra. "Misy ireo mpandraharaha ara-barotra izay mbola mila harenina mba hanaraka ny fepetra hitsinjovana ny mpanjifa. Nisy ny fanabeazana nataonay rehefa nidina tety", hoy ny Minisitra Haingotiana ANDRIAMADISON.Tamin'izao dia tany Antsirabe izao koa no nanolorany fanitso hanarenana ny takaitra navelan'ny haintrano ny volana Septambra tamin'ny taon-dasa tao amin'ity tsenan'Asabotsy ity. Nisolo vava ny mpivarotra, nankasitraka izany fihetsiky ny Minisitra misahana Varotra izany ny Lehiben'ny Tsena.Nanotrona ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana tamin'izany rehetra izany ireo manampahefana any an-toerana toy ny Solombavambahoaka, ny Lehiben'ny Faritra sy ny Prefen'Antsirabe ary ny Ben'ny Tanร na.Nambaran'ny Minisitra Haingotiana ANDRIAMADISON fa misokatra hatrany amin'ny rehetra ny Minisitera misahana ny Varotra sy ny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana (DRCC) raha misy trangan-javatra mbola tokony hitadiavana vahaolana.

Publie le 26/01/2026 Par 451512 Categorie: Actualitรฉs