Ho tanterahina any Mahajanga ny Filankevitry ny Minisitra ny alakamisy 06 marsa 2025 izay ho tarihin'ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA, miaraka amin'ny Praiminisitra Lehiben'ny Governemanta, NTSAY Christian ary ireo Minisitra isan-tsokajiny. Tanjona ny hanakaiky vahoaka hatrany ny Governemanta hitondra ireo vahaolana sy fampandrosoana miainga eny ifotony.