Natomboka tao 𝗙𝗲𝗻𝗼𝗮𝗿𝗶𝘃𝗼𝗯𝗲 , faritra Bongolava ny fampitaovana avy amin’ny 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐞𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐒𝐞𝐫𝐚𝐬𝐞𝐫𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐊𝐨𝐥𝐨𝐧𝐭𝐬𝐚𝐢𝐧𝐚 ho an’ireo distrika voaresaka nandritra ny fihaonana mivantana tamin’ireo solombavambahoaka ny herinandro teo.Tonga nametraka fitaovana vaovao « 𝒆́𝒎𝒆𝒕𝒕𝒆𝒖𝒓𝒔 » sy «𝒂𝒏𝒕𝒆𝒏𝒏𝒆 » tany an-toerana ireo tompon’andraikitra avy amin’ny Minisitera, notarihin’ireo mpikambana eo anivon’ny Kabinetra 𝑹𝑨𝑵𝑫𝑹𝑰𝑨𝑴𝑨𝑵𝑨𝑵𝑻𝑬𝑵𝑨𝑹𝑰𝑺𝑶𝑵 𝑴𝒂𝒎𝒚 𝒔𝒚 𝑹𝑨𝑳𝑰𝑱𝑨𝑶𝑵𝑨 𝑯𝒂𝒓𝒚 𝑻𝒊𝒂𝒏𝒂 ary ireo teknisiana. Ankoatra izay dia nohavaozina ihany koa ireo fitaovana ho an’ny efitrano fiasana ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina 𝐁𝐨𝐧𝐠𝐨𝐥𝐚𝐯𝐚 mba hanatsaràna ny asa eny ifotony. Nahazo fanaka sy solosaina ary fitaovana vaovao samihafa ho an’ny «𝒔𝒕𝒖𝒅𝒊𝒐» ireo mpiara-miasa any an-toerana tarihin’ny Talem-paritra 𝑶𝑵𝑱𝑨𝑺𝑶𝑨 𝑻𝒂𝒏𝒕𝒆𝒍𝒚 𝑨𝒍𝒎𝒐𝒏𝒅𝒊𝒂.