Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy androany alarobia 4 febroary 2026 tao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy ilay boky «𝑵𝒚 𝑫𝒊𝒂𝒓𝒊𝒏’𝒊 𝑨𝒏𝒏𝒆 𝑭𝒓𝒂𝒏𝒌 » 𝙙𝙞𝙠𝙖 𝙩𝙚𝙣𝙮 𝙢𝙖𝙡𝙖𝙜𝙖𝙨𝙮 ny boky «𝐿𝑒 𝑗𝑜𝑢𝑟𝑛𝑎𝑙 𝑑’𝐴𝑛𝑛𝑒 𝐹𝑟𝑎𝑛𝑘 ».Boky vokatry ny Voankevitra avy amin’ i 𝒁𝒐𝒖𝒛𝒂𝒓 𝑩𝑶𝑼𝑲𝑨, Filohan’ny VIMA - 𝑉𝑖𝑠𝑖𝑜𝑛 𝑀𝑎𝑑𝑎𝑔𝑎𝑠𝑐𝑎𝑟, ary nadikan’ireo mpanoratra malagasy 𝘔𝘪𝘤𝘩𝘦̀𝘭𝘦 𝘙𝘈𝘒𝘖𝘛𝘖𝘚𝘖𝘕 sy 𝘙𝘪𝘢𝘮𝘣𝘰𝘭𝘢 𝘔𝘐𝘛𝘐𝘈.Tonga nanome voninahitra ny hetsika sady nandray ireo boky ny 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘳𝘢𝘴𝘦𝘳𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘒𝘰𝘭𝘰𝘯𝘵𝘴𝘢𝘪𝘯𝘢 𝑮𝑨𝑺𝑪𝑨𝑹 𝑭𝒆𝒏𝒐𝒔𝒐𝒂, notronin’ireo mpiara-miasa aminy 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘬𝘳𝘦𝘵𝘦𝘳𝘢 𝘑𝘦𝘯𝘦𝘳𝘢𝘭𝘺, 𝘯𝘺 𝘛𝘢𝘭𝘦 𝘑𝘦𝘯𝘦𝘳𝘢𝘭𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘳𝘢𝘴𝘦𝘳𝘢, 𝘢𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘛𝘢𝘭𝘦 𝘑𝘦𝘯𝘦𝘳𝘢𝘭𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘛𝘳𝘢𝘯𝘰𝘮𝘣𝘰𝘬𝘪𝘮-𝘱𝘪𝘳𝘦𝘯𝘦𝘯𝘢 sy ireo 𝘵𝘰𝘮𝘱𝘰𝘯𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘪𝘬𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘴𝘢𝘮𝘪𝘩𝘢𝘧𝘢 eo anivon’ny 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢; teo koa ireo mpiara-miombona antoka rehetra niara-nisalahy tamin’ny fandraketana izao diary izao, ary ny Filoha lefitra misahana ny serasera eo anivon’ny VIMA 𝘛𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘙𝘈𝘑𝘈𝘖𝘕𝘈.«𝑵𝒚 𝑫𝒊𝒂𝒓𝒊𝒏’𝒊 𝑨𝒏𝒏𝒆 𝑭𝒓𝒂𝒏𝒌 » dia fitantarana nataon’ilay tovovavy jiosy 14 taona, voaheloka ho lasibatry ny fanenjehana sy ny fandringanana, izay niafina tao anaty toerana tery nandritra ny roa taona, sady tsy nanan-kery hiaro tena, tantara teo anelanelan’ny taona 1942 sy 1944, nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, teo ambany herin’ny Nazia.Marihina fa ny «𝑵𝒚 𝑫𝒊𝒂𝒓𝒊𝒏’𝒊 𝑨𝒏𝒏𝒆 𝑭𝒓𝒂𝒏𝒌 » dia efa 𝘯𝘢𝘥𝘪𝘬𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘵𝘦𝘯𝘺 𝘮𝘪𝘩𝘰𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘺 70 𝘮𝘢𝘯𝘦𝘳𝘢𝘯-𝘵𝘢𝘯𝘺, ary izao 𝙫𝙞𝙩𝙖 𝙙𝙞𝙠𝙖 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙩𝙚𝙣𝙮 𝙢𝙖𝙡𝙖𝙜𝙖𝙨𝙮 izao. Nisy koa ny fanovana azy ho tantara an-tsehatra sy ho sarimihetsika. Hatramin’ny taona 2009 dia voasoratra ao amin’ny Rejisitry ny Fahatsiarovana Iraisam-pirenena an’ny UNESCO izy, ho lova ara-taratasy manan-danja ho an’izao tontolo izao. Nisy koa ny fanolorana boky ho an’ireo tranomboky sy sekoly maro manerana ny Nosy.