NY SOATOAVINA MALAGASY HITA TARATRA TAMIN’NY TOLOM-PANAFAHANA 29 MARSA

112

Tsiahy tsy azo hadinoina eo amin’ny tantaram-pirenena ny tolom-panafahana 29 Marsa 1947

Fametrahana voninkazo eny amin’ny fasan’ny mahery fo hatrany no anamarihana izany isan-taona . Tsy azo hodian-tsy hita anefa fa raki-tsoa sarobidy mipetraka ho tahirimbakoka ary hampitaina amin’ny taranaka mifandimby ny lanjany eo amin’ny fiainam-pirenena sy ny soatoavina raketiny.

 

1.ZAVA-NISY ARA-TANTARA

1.1Fitakiana Fahaleovantena

Teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena dia ny Amerikana sy ny Sovietika no firenena natanjaka indrindra , taorian’ny ady lehibe faharoa, teo anelanelan’ny taona 1940-1945.Tsy nankasitraka ny fanjanahan-tany izy ireo. Nohamafisin’ny Filoham-pirenena Amerikana, Franklin Delano Roosevelt (1933-1944), sy ny Praiminisitra britanika, Churchill (1940-1945), tao amin’ny Dinan’ny Atlantika “Charte de l’Atlantique” fa tsy maintsy homena ny fahaleovantena ny firenena voazanaka rehetra.

Vita sonia ny 26 jona 1945 tany San -Francisco ny dinan’ny firenena mikambana « Charte des Nations Unies » izay nampijoro fivondronamben’ny firenena mikambana (ONU Organisation des nations Unies). Isan’ny antom-pisian’izany ny fiadiana ho an’ny fitovian-jon’ny firenena rehetra maneran-tany sy ny fahafahan’ny firenena tsirairay. Niroso tsikelikely tamin’ny fitakiana fahaleovantena ny ankamaroan’ny firenena voazanaka nanomboka teo.

Teto Madagasikara kosa dia tsinjon’ny mpanjanaka frantsay fa misy olona tonga saina ary mitady ny hevitra rehetra hahazoana ny fahaleovantena.Koa nijoro ny antoko MDRM (Mouvement Démocratique de la Rénovation Malgache) na hetsika demokratika ho fanavaozana ny fiainan’ny malagasy. Nataon’ny mpanjanaka anefa izay nanafoanana tanteraka izany antoko izany teto amin’ny nosy .

Tany Frantsa no nitsirian’ny hevitra sy nananganana ny antoko MDRM ny 11 febroary 1946
Fito mirahalahy izy ireo no niketrika izany dia Dr Raseta, Dr Ravoahangy, Rabemananjara
Jacques-Félicien, Dr Ramamonjy Raherivelo, Raymond William Rabemananjara, Dr Albert

Rakoto Ratsimamanga, Dr Maurice Razafindramasina . Ny 18 jona 1946 vao nijoro ara- dalàna teto Madagasikara ny antoko.

Tanjon’ny MDRM ny hampiray ny Malagasy rehetra sy ny hiverenan’i Madagasikara indray amin’ny fahaleovantenany. Nahavelom-bolo ny Malagasy tia tanindrazana ny fijoroan’ity antoko vaovao ity ka nahamaro isa ny mpikambana.
Nodinihina ny 21 marsa 1946 ny volavolan-dalàna mikasika ny hamerenana ny fahaleovantenan’i Madagasikara.

Navoaka an-tsoratra ny 9 aogositra 1946 ny fikarakarana fitsapan-kevi-bahoaka namantarana izay safidin’ny Malagasy na ho departemanta frantsay na ho firenena tsy miankina amin’i Frantsa intsony kanefa ho mpikambana ao amin’ny Union Française ihany.Nasaina nifidy solombavambahoaka hiasa teo anivon’ny Antenimieram-pirenena frantsay ny Malagasy ny 10 novambra 1946. Lany tamin’izany ireo mpitarika ny antoko MDRM: Dr Raseta, Dr Ravoahangy, ny poeta Rabemananjara.

Sahirana anefa izy ireo tamin’ny fanatanterahana ny asany satria nanidy varavarana avokoa ireo ministera sy antoko politika frantsay. Nitady ny fanohanan’ny vahoaka Malagasy izy ireo ary tsy nananosarotra izany satria naharesy lahatra ny olona ny foto-kevitra nijoroan’ny antoko dia ny fiadiana ho amin’ny fahafahan’i Madagasikara.

Noraisin’ny mpanjanaka ho fahavalo nanomboka teo ity antoko MDRM ity noho ny tanjona napetrany .Vokatr’izay dia namorona ny antoko PADESM1 na vondron’ireo tsy manana lova eto Madagasikara ny Frantsay mba ho mirazotra sy hifaninana amin’ny MDRM2

 

1.2 Fifanjevoana

Nisy ny fivorian’ny mpikambana MDRM ny andron’ny 27 marsa 1947 tao Antananarivo. Niompana indrindra tamin’ny fanomanana ny kongresy saika hatao ny 6, 7, 8 avrily ny dinika. Nisy vaovao voaray nefa tamin’izay fa hisy korontana hiseho eto Madagasikara mba hiampangana ny MDRM ho mpanohintohina ny filaminam-bahoaka.Nanoratra telegrama haingana Rabemananjara mba hampitandrina sy handidy ny mpikamban’ny antoko ho tony sy tsy hamaly izay mety ho fiantsiana atao amin’izy ireo.

Fanafihana sy fandoroana ny toby miaramila tao Moramanga ary fanapariahana fikomiana tamin’ny frantsay no niampangana azy ireo. Nandà mafy hatramin’ny farany izany nefa ireto mpitarika ny antoko.Hany ka raikitra teo ny fifandrotehana mahery vaika ary maro ireo tera-tany malagasy izay maty novonoina tamin’ny fomba feno habibiana.

Vokatr’izany fifandonana izany dia Malagasy maro no voaheloka ho faty, tsy vitsy koa ireo notanana am-ponja sy natao sesi-tany. Na lalamby na arabe dia nahitana fahatapahana avokoa. Tanàna betsaka no may tao anatin’ny fotoana fohy monja. Nisy fahatapahana hatramin’ny fifandraisana an-tariby. Zary nanakorontana ny fiainam-piarahamonina ny tahotra sy horohoro hany ka tsy nifampatoky intsony ny samy Malagasy.

 

Napetraka ny fitondrana miaramila tamin’ireo toerana noheverina ho faritra mena tamin’izany: dia ny tao Vohipeno, Manakara, Fianarantsoa, Ifanadiana, Mananjary, Nosy Varika, Mahanoro, Vatomandry, Moramanga ary Ambatondrazaka .Nanafatra miaramila avy any ivelany mihitsy aza ny mpanjanaka hampandry tany.

 

Nofoanana tamin’ny didim-panjakana nivoaka ny 10 mey 1947 ny antoko politika MDRM sy
JINA3 na ny tanora avara-pianarana tia tanindrazana ary PANAMA4 na fikambanan’ny tia tanindrazana malagasy. Naseho tamin’ny Gazetim-panjakana laharana 3229 nivoaka ny Sabotsy 17 mey 1947 izany. Mba hisian’ny filaminana anatiny dia nanafatra miaramila avy any ivelany ny mpanjanaka hampandry tany. Tsy nandry andro tsy nandry alina ireo miaramila senegaly nampiasain’ny fitondrana frantsay teto Madagasikara mba hiambina ireo toerana lehibe teto Antananarivo sy ny faritra hafa rehetra (Compagnie des Eaux, Paositra, Gara, …) ary koa mba hiaro ny ain’ireo vahiny sy ny tombontsoany. Nalefa niandraikitra ny fitandroana ny filaminana tany Moramanga kosa ny miaramila Syriana.
Mafy ny fifandonana teo amin’ny Malagasy sy ny Frantsay izay naharitra 20 volana taorian’ny 29 marsa. Tsy nitandro hasasarana ireto tia tanindrazana ka nanohy ny tolona hatrany na dia tsy nitovy aza ny hery. Namaritra izany tsy fitovian-kery izany ny isan’ny miaramila sy ny fitaovam- piadiana. Izany indrindra no nifidianana ny alan’atsinanana ho toerana fialofana sy fierena mba hahasarotra ny fifandonana . Ny malagasy no tompon’ny ala ka tsy nanahirana azy ireo ny nifehy ny toerana.
Manoloana izany tranga izany dia nahatsapa ireo mpanjanaka fa nisy fahosana ihany teo
amin’izy ireo ka voatery nanafatra ireo miaramila hafa avy any ivelany hifehezana haingana
ny raharaha.

2 .IREO SOATOAVINA HITA TARATRA

Teo anatrehan’ireo zava-nisy ireo dia nampiakatra hatrany ny herintsainy ny malagasy na dia teo aza ny fahadisoam-panantenana noho ny tsy nahazoana fitaovam-piadiana betsaka teny amin’ny toby miaramilan’ireo voanjo izay notafihana . Tohana lehibe ho an’ireo tia tanindrazana ny fanampian’ny vahoaka malagasy azy ireo. Teo ihany koa ny fifehezana ny voahary dia ny fierena tanaty alabe. Ireo fitaovana roa ireo dia nohamafisina tamin’ny alalan’ny kolontsaina malagasy nifototra tamin’ny finoana sy ny fomba fiaina ary ny fanehoan-kevitra tamin’ny alalan’ny zavakanto .

2.1 Finoana

Endrim-piarahamonina vaovao izay nanjakan’ny raiamandreny ara-poko, ny mpisikidy, ny mpanandro, ombiasa, ny mpamosavy ary ny zokiolona no nahazo laka tao anatin’ny alabe. Niainga tamin’izy ireo avokoa ny toromarika rehetra mba hampirindra ny tolona hatrehina. Koa satria osa teo amin’ny lafin’ny fitaovam-piadiana ny miaramilan’ny MDRM dia nampiasaina ny ody mba hanampy amin’ny ady natrehina.

2.1.1 Ny Ody

Anisan’ny fomba nanehoana ny finoana ny fampiasana ny ody izay zavatra sotroina na ahosotra na trohina na atsindrona na evohina na asisika hanasitranana sy hamerenana ny fahasalamana . Ninoan’ny Ntaolo fa manan-kery hitondra ny soa sy hiaro amin’ny loza eo amin’ny olona mitondra na miravaka azy. Mety ho tsara ny ody tahaka ireo izay ampiasain’ny ombiasa mpanasitrana. Mety ho ratsy anefa izany tahaka izay ampiasain’ny mpamosavy. Ny mpimasy no manamboatra ny ody ho an’ireo miaramila ka nataony hiaro azy amin’ny ady atrehina izany araka ireo izay efa voatanisa tetsy aloha. Voalaza fa nampiasa ody ny miaramilan’ny MDRM tamin’ny fotoan’androny toy ny ody bala sy ny ody fonoka.

Ody

Ny ody bala dia narahina tamin’ny teny hoe « rano, rano » rehefa nitifitra ny fahavalo. Ny finoana matanjaka no anisan’ny tena fototry ny fahombiazan’izany ody izany .Koa raha nisy ny nandairan’ny bala dia noho izy noho ny fahakelezan’ny finoana na ny ota fady nataony. Maro ireo natao ody bala toy ny : Hazo boka , Akangarano,Tsivoan’io, Tsivoan’izay ,Tsilaitra , Bibilahy tsy mataho-doza , Tsimatindreo, Tsihaniamposa , Hazomboay ,Akora foana ( sifotra ), Maso be tsy mahita. Ny ody fonoka kosa ody malagasy natao hampatory ka tsy handrenesana na inona na inona mba hahafahana manantateraka izay zavatra tian’ny mpanao azy hotanterahina.Voamarika fa mba hampalavorary ny herin’ny ody dia ilaina ihany koa ny fanaovana sorona.

Nanampy ireo voalaza ireo ny ody mahery na vorika izay namosaviana na namonoana ireo vazaha sy ny miaramilany.Nampiarahina tamin’ny sakafo hanina na sotroina ny vorika ka mahafaty izay misotro na mitelina azy. Ody ratsy entina misompatra sy hanalana aina ary entina mampivarina vintana ka hanimbana sy handravana fiainan’olona.
Mba hampanan-kery tsara ny ody anefa dia nisy ny fady izay tsy maintsy tandremana fatratra. Fepetra tsy maintsy hajaina sy tsy azo dikaina satria manan-kasina ny fady ary miseho amin’ny alalan’ny fihetsika na teny voararan’ny fomban-tany izany. Vokatry ny finoana ny hery tsy hita maso ny fady. Izay manota fady dia heverina ho maloto sy manohintohina ny filaminana ara-panahin’ny fiarahamonina.

2.1.2 Fanandroana sy sikidy

Tao anatin’ny paikady natrehin’ny miaramila MDRM dia nampiasa ny fanandroana sy ny sikidy nahafahany namantatra izay lalana aleha sy ny fomba arahina.Fijerena ny vintan’ny olona tsirairay handeha hiantafika no tena tanterahina ao anatin’izany.

Marihina fa ny vintana no singa manan-danja indrindra amin’ny fanandroana. Tsy ny fotoana ihany no sahanin’ny fanandroana malagasy fa ny toerana sy ny zava-boahary hafa ihany koa.

Ny sikidy dia fampahalalana ny ho avy na fanazavana ny antony nisian-javatra iray amin’ny alalan’ny fandaharana voan-javatra toy ny tsaramaso, kily, na tapa-javatra maro tahaka ny ahitra, rantsan-kazo.

Ireo miaramila sy ny mpikambana tao amin’ny MDRM dia tsy maintsy nanao ny fianianana mba hanamasina azy eo amin’ny asa aman’andraikitra iantsorohany. Nanomboka teo amin’ireo mpitarika ny antoko izany. Nohamafisina tamin’ny fanaovana velirano ka nifarana tamin’ny tso-drano.

2.1.3 Velirano

Ny velirano dia fanamafisana ny fankatoavana sy fanoavana ireo fianianana notanterahina teo am-panekena ny zavatra iray. Teo amin’ny rano malahelo no fanaovana ny velirano. Mivory manodidina io rano io ny mpikambana. Rarahana akofa sy tain’omby ny rano malahelo ary atsatoky ny lehiben’ny fikambanana ao avy eo ny lefona. Veliveleziny eo iny, sady miteny izy manao hoe :« izay manantena ny hamadika sy tsy hanoa dia modia akofa, fofosarita tahaka ity rano malahelo ity, aza misy fara handimby! Fa raha mahatana izao kosa dia modia famonto ny velirano ». Dia mandray rano amin’ny tanany havanana izy ka afafiny amin’ny mpikambana vory eo izany. Mandritra izany dia samy miondrika eo anoloan’ny rano avokoa ny olona rehetra ary tsy mitraka raha tsy efa vita ny famafazan-drano.

Zava-dehibe loatra ny tolona ka mba hahatontosan’ny mpikambana rehetra ny adidiny dia narahana tso-drano izany . Rano natao am-bava ary notsofina hifafy amin’ireo mpiantafika no natao mba ho firariana soa hahaleo hahalasa amin’ ny tanjona kendrena.

2.2 Fomba fiaina

Manamarika ny fomba fiaina nandritra ny tolom-panafahana ny haitao, ny fihinanana vary, ary ny fitafy.

2.2.1 Ny haitao

Mifameno amin’ny fombafomba maro samihafa dia nanana ny fitaovam-piadiana ihany ny malagasy na dia vitsy dia vitsy ary izany. Toy ny basy lava mass 36, ny poleta kely, ny zava-mipoaka. Ireo dia azo tamin’ny vazaha fa ny tena maro dia ny antsibe, sabatra, lefon-dava sy lefom-pohy, pilotra, martoa ary ny mandresy. Tao Moramanga dia nanaovana antso avo ny tanora, ny lehibe, eny ny vehivavy rehetra hitondra izany ka hanampy ny miaramila MDRM hiady amin’ny miaramilan’ny mpanjanaka. Haitao nentim-paharazana avokoa ireo fitaovam-piadina ireo. Ny mandresy dia hazo naniry ary mbola maniry eto Madagasikara, hazo mafy be tsy misy ohatra izany ka azo natao fitaovam-piadiana tsara hikapohana. Mahafaty sy mampalemy ny olona voakapony izany hazo izany. Marihina fa laroana ody avokoa ireo fitaovana nampiasaina.

 

2.2.2 Ny vary

Mikolo aina sy mikolo saina ny vary. Foto-tsakafon’ny Malagasy mandrakariva izy ary anisan’ny fototra mampiray ny Malagasy. Tsy mifidy saranga izy fa mihinana azy avokoa ny sokajin’olona rehetra . Mba hahafahan’ireo miaramila malagasy miatrika ny fahavalo dia tsy maintsy nasiana ny fandrindrana ny fanampiana azy ireo amin’ny famatsiana ara-tsakafo indrindra fa ny « vary ».
Nisy ireo nantsoina hoe Beminono(Tanora latsaky ny 20 taona, vory nofo sy hery ary tanjaka) izay sokajin’olona ny mpanatitra vary tany anaty ala noho izy ireo mbola manana ny hery sy tanjaka noentina nanafaiganana ny famatsiana. Noferana ho fotsimbary 20 kg isam-bolana no naterina isam- pianakaviana ankoatra ireo kojakokoja ilaina andavan’andro.Ny volana Marsa dia voalaza fa fiakaran’ny voka-bary ary nifanandrify tamin’ny fipoahan’ny ady ny fihinanana izany. Na dia resy aza ireo mpitolona dia efa nahavita ny dingana santatra ho an’ny fahafahan’i Madagasikara taona maro taty aoriana.

2.2.3 Ny fitafy

Efa nolovaina tamin’ireo razambe ny fitafiana lamba landy teto Madagasikara, kolontsaina iray izay mampiavaka ny Malagasy amin’ny firenena hafa ary tena ankafizin’ny Malagasy tanteraka ny lamba landy. Na an-karatsiana na am-pifaliana dia notafiany teny foana izany. Tsikaritra manokana koa anefa tao anatin’ny tolom-panafahana fa anisan’ny fitafiana manokana noentin’ireo miaramila tia tanindrazana ny lamba landy. Noho ny ady izay anaty akata, nanjakan’ny orana sy ny hatsiaka tanteraka dia noheverina fa ny fitafiana vita amin’ny landy no nitondra hafanana.

Etsy an-danin’izany anefa ny miaramila dia efa nanao ny velirano hisotro ny aleoko maty ho an’ny tanindrazana ary tsy hivadika amin’izany .Koa azo heverina fa marik’izany no nifidianan’izy ireo ny lamba landy. Velona izy ireo araka izany mitafy ary maty mifono lamba landy.

 

2.3 LITERATIORA

Maro ireo vanimpotoana nolalovan’ny malagasy talohan’ny fahatongavan’ny tolom-  panafahana 29 marsa 1947. Tao ny vanimpotoana kristiana, ny fakan-tahaka, ny fiforetana anaty, ny fitadiavana ny very ka niafara tamin’ny vanimpotoanan’ny fahafahana ny taona 1945-1960. Ankoatra ny fitsanganan’ny fikambanana maro niady hanafaka an’i Madagasikara teo ambany vahohon’ny mpanjanaka dia nandray anjara ny literatiora tamin’ny ankapobeny ary nampahafantatra ny zava-misy rehetra niainan’ny malagasy raha vao lasa zanatany frantsay i Madagasikara ny taona 1896.

Nametraka tanteraka ny maha mpanjanaka azy ny vazaha ary nanao tsindry hazo lena sy enji-dresy ny malagasy no tena nataon’izy ireo teto. Tsy maintsy nohindrahindraina izy ireo tamin’izany ary nilazany mihitsy ny fahamboniny amin’ny sehatra rehetra. Mafy ny geja sy ny fanandevozana nahazo ny malagasy. Manoloana ny hery tsy mitovy anefa dia niforitra anaty ny malagasy ary nanaiky hatrany ny didy jadona nataon’ny mpanjanaka.

Ankoatra ny fitsanganan’ny fikambanana maro niady hanafaka an’i Madagasikara teo ambany vahohon’ny mpanjanaka dia nandray anjara ary nampahafantatra ny zava-misy rehetra niainan’ny malagasy ny literatiora .Voalazan’ny mpikaroka fa hery nanosika ny fipoahan’ny raharaha 1947 ny literatiora noho ny famotsipotsirany ny fanjanahantany sy ny fanaovany antso ho amin’ny fitiavan-tanindrazana ary ny hiverenana ny amin’ny maha malagasy.

Anisan’ny nandray anjara tanteraka tamin’ny fanoratana ireo mpitarika ny fironan-tsaina mitady ny very dia ry Charles Rajoelisolo, Ny Avana, Jean Joseph Rabearivelo (JJR).

Ny zavatra tsapa mantsy dia niezaka efa hatrany am-piandohana ny vazaha hamotika ny kolontsaina malagasy mba hahazoany manjakazaka mora foana aty amin’ny tany izay tsy azy akory.

Manoloana izany indrindra no ilazan’ny mpanoratra samihafa fa misy ny tsara sy ny ratsy teto Madagasikara nandritra ny fanjanahantany. Naharihary fa nisy ny Malagasy tsara sy ny Malagasy ratsy. Toy izay koa ny vazaha tsara sy ny vazaha ratsy. Tononkalo, Sombin-tantara, ny tantara noforonina no karazana asa soratra nampiharihary ny zava-misy . Niventy indrindra ny “Ombin-tsarety sy ny olona” i Josephine Ranirina izay sary maneho ny mpanjana-tany sy ny malagasy voan’ny tsindry hazo lena.
Jean Narivony kosa namotsipotsitra ny hafetsena nitranga imason’olona ka nanoratra ny hoe “Ilay Rajako namadika ny namany”. sy ny “ Ny Alika jamban’ny taolana”.

Ny sombin-tantara “Razafimamy mianaka” nosoratan’i Clarisse Ratsifandrihamanana dia naneho an-karihary ny sakana nahazo ny malagasy tsy avela hiteny ny tenin-drazany.Nanampy ireo ny ”Fofom- badiko” tantara foronin’i E.D Andriamalala izay naneho ny fitakiana fahaleovantena tanaty fisainana nanaja ny maha malagasy.

FEHINY

Na dia teo aza ny tsy fitovian-kery teo amin’ny Malagasy sy ireo vazaha dia azo adika ho fahombiazana ny hetsika 29 marsa noho ny fahasahian’ireo tia tanindrazana naneho ireo soatoavina malagasy .Niainana nandritra izany ireo fahendrena mifototra amin’ny firaisankina sy fihavanana . Niharihary ny hoe :” Ny mitabe tokoa tsy lanin’ny mamba, ny akanga maro tsy vakin’amboa ary ny izay mitambatra dia vato”. Hita taratra nandritra iny vanimpotoana tsy lefy laza iny ireo soatoavina nolalain’ny malagasy dia ny finoana sy ny fifehezana ny voahary ka nahafahana namolaka haitao isan-karazany. Tsy azo hodian-tsy hita ny fanehoana ny kanto amin’ny teny nanasongadinana ny tsy rariny teo amin’ny fiarahamonina.

Loharanon-kevitra

BLANCHON, K. (2009). Les Cinémas de Madagascar, (1937-2007). Paris : L’Harmattan.
CHAPUS, G.S. et D, A. (1961). Manuel d’histoire de Madagascar. Paris : Larose.
COLE, J. F. (2001). colonialism ? Sacrifice and the Art of Memory in Madagascar.
Berkeley : University of CaliforniaPress.
DELMEULE, J.C. (2001). « Nour ou le tressage des mots », Interculturel francophonies, 1 :
145-160.
DUVAL, E.J.(1947). La Révolte des sagaies. Madagascar. Paris : L’Harmattan, 2002.
FREMIGACCI, J. (1947), l’insurrection à Madagascar
HASSAN, F. « Elbadawi, Soeuf. Moroni Blues/ une rêverie à quatre », Nouvelles Etudes
Francophones, 25.2, automne 2010 : 230-235.
JOUBERT, J-L. (1947). « Madagascar» in Véronique Bonnet (éd.), Conflits de mémoire,
Paris : Karthala, 2004, 353-361.
LEYMARIE, P. (1947). « La mémoire troublée de l’insurrection anticoloniale. Chape de
silence sur une effroyable répression ».
MEITINGER, S. (2004). « Écriture de la violence, violence de l’écriture chez trois écrivains
malgaches francophones ». mis en ligne en 2008.
MONGO-MBOUSSA, B. (2001). « Les revers de notre civilisation, Entretien avec Jean-Luc
Raharimanana » Africultures.

RABESAHALA, G. (2006). Ho tonga anie ny Fahafahana ! Que vienne la liberté ! Saint-
Denis de La Réunion : Océan Editions.

RADAODY-RALAROSY, R. Z. (1947). Au cœur de l’insurrection malgache, Antananarivo :
Tsipika, 2007.
RAFENOMANJATO, A. C. (2003). Sang pour sang, vie pour vie. Antananarivo : SEM
RAHARIMANANA, J.L, (1947). Nour, Le Serpent à plumes, Paris 2001.
RAHARIMANANA, J.L (1947). Madagascar. La Roque d’Anthéron : Vents d’ailleurs, 2007.
RAHARIMANANA, J.L et Men, Pierrot. (1947). Portraits d’insurgés. Madagascar. La
Roque d’Anthéron : Vents d’ailleurs, 2011.
RAHARIMANANA, J. (2008). « 47, rano, rano », Frictions, 13.
notoire47.canalblog.com
RAILOVY. (1947). « Le cœur de l’histoire malgache vu par A. Andraina, E.D. Andriamalala
et JL Raharimanana », Interculturel Francophonies, 4 (2003) : 31-47.
RAISON-JOURDE, F. (1989). « Une rébellion en quête de statut : 1947 à
Madagascar », Revue de la Bibliothèque Nationale, 34 : 24-32.
RAISON-JOURDE, F. (1998). « Le soulèvement de 1947 : bref état des lieux », Clio en
Afrique.
ROTHBERG, M. (2009). Multidirectional Memory : Remembering the Holocaust in the Age
of Decolonization. Standford : Standford University Press.
TIERSONNIER, J. (2004). Madagascar (1947-2002), Des Sagaies aux ombrelles. Paris :
L’Harmattan .
TRONCHON, J. (1986). L’Insurrection malgache de (1947). Paris : Karthala.
Tsingy,( 2008). « Insurrection de 1947 »
VAURS, P. (2007). « La vérité sur la grande révolte de Madagascar ».

ATERINETO

http://etudescoloniales.canalblog.com/archives/2006/11/22/324671.html

http://www.monde-diplomatique.fr/1997/03/LEYMARIE/8045

http://www.lrdb.fr

http://sites.univ-provence.fr/~wclio-af/numero/4/thematique/raison/sommaire.html

http://www.innovation-democratique.org/La-verite-sur-la-grande-revolte-de.html

Accueil