« Ny Tarika Mahaleo »

63
Mety efa maro ny fantatrao momba ny Tarika Mahaleo, fa maro ihany koa ny mety mbola tsy fantatrao. Tongava mitsidika ny fampirantiana « Ny Tarika Mahaleo » ao amin’ny « Trano Sary – Musée des Archives Iconographiques » Ambohidahy (ex-ANTA) hatramin’ny 25 Jona 2021. Tsy misy vidim-pidirana.
Ento ny ankizy, ny tanora hahafantatra ireto mpanakanto harem-bakoky ny firenena ireto.
Tongava ihany koa mitsidika ity mozea vaovao vao napetraka ity taorinan’ny fanarenana ny trano.