« TAGNAMARO, ANDRON’NY OLOM-PIRENENA » TAO AMIN’NY EPP MAHAZOARIVO ANTSIRABE

58
Volana maromaro nitsaharan’ny hetsika « Tagnamaro, andron’ny olom-pirenena » noho ny toe-draharaha ara-pahasalamana, nanohy ny fivoizana ny lalan-tsaina fonosin’ity hetsika ity ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina teto Antsirabe.
Nosafidiana manokana hanaovana ny Tagnamaro ny Sekoly ambaratonga fototra (EPP) Mahazoarivo I. Ity sekoly ity izay tsy nisy fanamboarana an-taonan’ny maro kanefa mandray mpianatra manovo fianarana hatramin’ny 700 isa mahery anatina taom-pianarana iray.
Niandraiketan’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana ANDRIATONGARIVO, manokana ny fitaovana rehetra nentina hanatsarana sy hanavaozana ity sekoly ity. Nolokoina iray manontolo ny efitrano fianarana rehetra, na ny anatiny na ny ivelany, ankoatra ireo pitsopitsony samihafa ilaina amin’ny kalitaon’ny fenitry ny sekoly.
Ankoatra ireo mpiara miasa eo anivon’ny Minisitera foibe, nanampy tosika ary nandray anjara mavitrika tamin’ity Tagnamaro teto Antsirabe ity avokoa ireo rafitra samihafa, na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana. Nanolo-tanana nandritra ny hetsika ireo mpiasa teo anivon’ny Governoran’ny Faritra Vakinakaratra, ny Kaominina Ambonivohitra Antsirabe, ireo Fitaleavam-paritra eto Vakinakaratra, ireo mpitandro ny filaminana, ireo mpianatra avy amin’ny EPP manodidina, ireo mpilatsaka an-tsitrapo, ankoatra ireo olon-tsotra nandray anjara.
Tagnamaro, andron’ny olom-pirenena : tafita ny hafatra sy ny lalan-tsaina raha ny vitrika sy ny erjika nasehon’ireo mpandray anjara rehetra.