TAGNAMARO MANOKANA : AKANY FANARENANA ZAZA NANIA MANDROSOA ANOSIALA

43
Nanatanteraka Tagnamaro manokana teny amin’ny Akany fanarenana zaza nania Mandrosoa Anosiala ireo mpitantana ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina androany Sabotsy 27 Martsa 2021 notarihin-dRamatoa Minisitra Lalatiana ANDRIATONGARIVO.
Ity toerana ity no mandray ireo adolantsento voasazin’ny fitsarana sy ireo adolantsento aterin’ny ray aman-dreniny noho ny tsy fahafahana ara-tsosialy.
Nanamboatra ny rava sy nandoko ny toerana fandraisana mpamangy, nanamboatra ny trano, famakiam-boky, nanolotra étagère vaovao sy nandoko izany ahafahana mametraka ireo boky, nanamboatra ny zaridaina, nanamboatra ny panneau basket, ireo no isan’ny asa natao teny an-toerana niaraka tamin’ireo ankizy sy tanora ary ny mpanabe.
Nizara ny zava-misy tamin-dRamatoa Minisitra sy ireo mpiara-miasa aminy ireo mpitantana ny toerana.