Tonga nitsapa alahelo sy nitondra ny teny fampiononana ho an’ny fianakavian’i Tsizaraina Nathalie Hortense RAJAONARIVONY fantatsika amin’ny anarana hoe TAA TENSE ny teo anivon’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, notarihin’ny Minisitra Lalatiana ANDRIATONGARIVO sy ny vadiny ny hariva teo tetsy amin’ny Gymnase Couvert Akorondrano.

98
Andrasana hatramin’ny rahampitso Alatsinainy eny an-toerana ny nofo mangatsiakany mialohan’ny hihazoan’ny razana any Fandriana, toerana handevenana azy.
Ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina dia mbola manamafy ny fankaherezana ho an’ny fianakaviany sy ireo mpanakanto rehetra.