Fihaonana mivantana tamin'ireo mpiara-miasa eto anivon'ny DRCC Atsimo Andrefana, natao teto amin'ny foibe SOATALILY no nentin-dRamatoa Ministry ny Serasera sy ny Kolontsaina MARA Volamiranty Donna Mara Donna nanombohany ny fidinana ifotony eto Toliara. Izany dia fanatanterahana ny fampiroboroboana ny maha olona araka ny andry voalohany amin'ny vinan'Andriamatoa Filohan''ny Repoblika. Andry Rajoelina .Nisy ny fihainoan'ny Ministra ireo hetaheta avy amin'ny mpiara-miasa eto an-toerana, fa teo ihany koa ireo toromarika arak'asa nampitainy mivantana ho an'ireo mpiara-miasa mba hanatsarana hatrany ny tolotra hoan'ny olom-pirenena mpanaraka ny haino aman-jery nasionaly amin'ny maha fanoitran'ny fampandrosoana azy.Nitarika ireo mpiara - miasa nandritra ity fihaonana teo amin'ny fianakaviamben'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina ity ny Talem-paritra Ramatoa RAVOLOLONJANAHARY Marcelia, notron'ireo lehiben'ny sampandraharaha eto anivon'ny DRCC Atsimo Andrefana.