Tonga nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fanajana ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, ๐๐๐๐ ๐๐จ๐ฅ๐๐ฆ๐ข๐ซ๐๐ง๐ญ๐ฒ ๐๐จ๐ง๐ง๐ tetsy amin'ny birao fiasany etsy Nanisana ny Ambasadaoron'i Afrika Atsimo miasa sy monina eto Madagasikara ๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ก๐๐ณ๐๐ฆ๐ฎ๐ฅ๐. Fitsidihana voalohany taorian'ny nahavoatendry azy hiasa eto Madagasikara nanomboka ny volana ๐ป๐๐ค๐๐๐๐ฃ๐ ๐๐๐๐. Noresahina nandritra izany ny fanamafisana ireo fiaraha-miasa izay efa nisy hatrizay ary koa ny hanohizana hatrany ny fiaraha-miasa eo amin'ny Madagasikara sy Afrika Atsimo, indrindra ny fifanakalozana eo amin'ny lafiny ara-kolontsaina.