Tonga nanao fitsirihana ny fizotran'ny tetikasa hanoratana ny Fiangonana Katolika sy ireo miaraka aminy, miampy ny fasan'ny jiolahitsambo eto Sainte Marie ho ao anaty lisitry ny HAREMBAKOKA IRAISAN' IZAO TONTOLO IZAO ny Ministry ny Serasera sy ny Kolontsaina MARA Volamiranty Donna Mara Donna notronin'ireo mpiara-miasa aminy, miaraka amin'ny Talem-paritry ny UNESCO ho an'i Afrika Atsinanana Ramatoa Louise HAXTHAUSEN UNESCO Regional Office for Eastern Africa izay misahana ireo firenena toa an'i Kenya, Comores, Djibouti, Erythrée, Maurice, Ouganda, Rwanda, Seychelles, Somalie, Rwanda ary i Madagasikara.Miara-dalana amin'ity asa fitsirihana ity ihany koa ny avy amin'ny Misiona katolika eto Sainte Marie, sy ny Mpandrindra ny UNESCO eto Madagasikara Ramatoa Julie RAKOTOSON.Marihina fa manatanteraka asa ato an-toerana amin'izao fotoana izao ireo mpahay haitaotrano sy mpahay fandinihana ny tontolo iainana ary ireo mpahay arkeolojia, izay miara-mifantoka amin'ny anjara andraikiny avy amin'ny famitàna ny antontan-taratasy ho harafitra amin'ny hanoratana anaty lisitry ny <<harembakoka iraisan'izao tontolo izao>> ireo toerana ireo, izay ahitana ny Fiangonana Katolika sy toerana manan-tantara hafa.Ankoatra izay, dia nisy ny fitsirihana ny Mozea Bettia, sy ireo harembako-pirenena hafa eto Sainte Marie.Isany teboka nivoitra ny hametrahana fiaraha-miasa amin'ny UNESCO izay entina hanaovana fanisana ireo harembakoka ambany rano hita aty an-toerana.Kolontsaina, vatofototry ny fampandrosoana