Famoahana boky roa mitondra ny lohateny hoe "Alô hianatra fitenim-paritry" sy "Ndao hahitsy ny diso". Boky roa mampianatra fitenim-paritra sy feni-panoratana. Ny edisiona TENY no nisahana ny fanontana.Tontosa ny Talata 3 jona 2025 tao amin'ny efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy, ny lanonana fanokafana amin'ny fomba ôfisialy ny iray volan'ny teny malagasy.Nisolo tena an-dRamatoa Minisitra, Mara Volamiranty Donna, ny Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina, Fetra Rakotondrasoava.Lanonana natrehin'ny Filohan'ny Antenimierandoholona, ny Jeneraly Ravalomanana Richard, ny filohan’ny Vaomieran’ny Serasera sy ny Kolontsaina eo anivon’ny Antenimierampirenena, Rakotondrasoa Fetra, izay nisolo tena ny filohan’ny Antenimierampirenena.Natao boky kely azo entin-tanana izy ireto mba ho azo ampiasaina na eny an-dalana, anaty birao, an-tsekoly, indrindra rehefa mandeha mitety faritra. Hetsika maro no tanterahina manerana ny Nosy amin'ity volana jona ity.