Nandray anjara tamin'ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an'ny tontolo iainana ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina androany tamin'ny alalan'ny fanetsehana ireo mpirotsaka an-tsitrapo hanao fanentanana momba ny tokony hitandroana ny tontolo iainana.Ny Fitaleavana misahana ny fampiroboroboana ny firotsahana an-tsitrapo sy ny asa eny anivon'ny fiaraha-monina no no nitarika izany niaraka tamin'ireo fikambanana mpirotsaka an-tsitrapo maro avy eto Antananarivo.Nifantoka tamin'ny loha-hevitra nasionaly “𝘕𝘰𝘴𝘺 𝘩𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘩𝘰𝘢𝘷𝘺 𝘵𝘴𝘺 𝘮𝘪𝘴𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘥𝘰𝘵𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘱𝘭𝘢𝘴𝘵𝘪𝘬𝘢” ny hafatra fototra nampitaina nandritra ny diabe izay natao niainga teny amin'ny zaridainan'Ambohijatovo hatreo amin'ny Kianjan'ny Hiragasy ao Anosy.