Tanàna ambony toerana manana haavo 1463m no ahitana azy. Ny taona 1610 no nanorenan'Andrianjaka izany. ireo mpanjakan'i Madagasikara nifandimby talohan'ny fanjanahantany dia tao avokoa no nitoetra.Maneho ny mahaizy azy ara-kolontsaina ny Rovan'i Madagasikara satria sady famantarana an'i Madagasikara mahaleo tena no mampiseho ny firaisam-pirenena. Voatahiry sy aranty ao avokoa ireo fomba fiaina isam-paritra, ireo tantara sy singa nampiasain'ireo mpanjaka nifandimby .Ireo singa samihafa manan- tantara toy ny lapa, Kianja, fasana no mandrafitra ny Rovan'i Madagasikara. Isan'ireo singa ara-kolontsaina mampisongadina ity toerana miavaka sy manan-tantara ity ny vavahady ahitana voromahery, fasan-dRasoherina, Fasan-dRadama, Fitomiandalana, Tranovola , Manjakamiadana, Mahitsielafanjaka, Manampisoa, Besakana, Fiangonana, Kianja Masoandro."Ny fitiavan-tanindrazana, mitarika fandrosoana"