Ny herinandro lasa teo dia nitarika delegasiona mafonja nahitana mpamokatra sy mpivaro-boky ary matihanina amin’ny tontolon’ny famokarana boky, nandray anjara tamin’ny andiany faharoa amin’ny fihaonan’ireo firenena afrikana misitraka ny tetik’asa « 𝑅𝑒𝑠𝑠𝑜𝑢𝑟𝑐𝑒𝑠 𝐸𝑑𝑢𝑐𝑎𝑡𝑖𝑣𝑒𝑠 », izay natao tany Lomé, Togo ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina Fetra Rakotondrasoava.Ny tetik’asa « 𝑅𝑒𝑠𝑠𝑜𝑢𝑟𝑐𝑒𝑠 𝐸𝑑𝑢𝑐𝑎𝑡𝑖𝑣𝑒𝑠 », izay vatsian’ny Agence Française de Développement vola ary tanterahin’ny Institut Français sy ny Unesco raha tsiahivina dia tetik’asa iray nentina nanohanana firenena afrikana miisa 13 hanatsarana ny fitaovana hitaizana sy hanabeazana ny ankizy, ka isan’ireny ny boky. Teto Madagasikara dia nilofosana niaraka tamin’ny Tranombokim-pirenena eto Madagasikara - BNM, mba hanatsarana ny kalitaon’ny famokarana boky ho an’ny ankizy (livre jeunesse) ny fanatsarana ny fifandraisana arak’asa teo amin’ireo mpisehatra amin’ny boky, izay nitarika tamin’ny fandrafetana ny « 𝘚𝘢𝘵𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘮𝘢𝘵𝘪𝘩𝘢𝘯𝘪𝘯𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘴𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘣𝘰𝘬𝘺 » na ny « 𝘤𝘩𝘢𝘳𝘵𝘦 𝘥𝘦𝘴 𝘱𝘳𝘰𝘧𝘦𝘴𝘴𝘪𝘰𝘯𝘯𝘦𝘭𝘴 𝘥𝘶 𝘭𝘪𝘷𝘳𝘦 ». Io sata io no mamaritra mazava ny anjara asa sy andraikitr’ireo mpiantsehatra isan-tokony ao anatin’ny rohin’ny boky, fa indrindra koa mamaritra ny fifandraisan’ny tsirairay.Tamin’ireo firenena 13 nanatanterahana ny tetik’asa dia i Madagasikara irery ihany no nahavita izay dingana goavana izay, ary nahavita nanatsara ny kalitaon’ny boky ho an’ny ankizy (livre jeunesse) vokarina eto an-toerana (production locale de livre jeunesse) tao anatin’ny 4 taona monja, ka noderaina manokana nandritry ny fihaonana.Taorian’izay dingana vita rehetra izay dia ny fijerena ny fomba hampiroboroboana ny indostrian’ny boky eto Madagasikara, handray anjara amin’ny fampiroboroboana ny indostria araky ny andry faharoan’ny politikam-pampandrosoan’ny Filoha Andry Rajoelina ny asa miandry manaraka.