Ho fanomezan-danja ny sehatry ny sarimihetsika, sy hanasongadinana ary hankasitrahana ireo nahavita be teo amin'ny tontolon'ny sarimihetsika malagasy, dia hanatanteraka ny andiany voalohany aminโny ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐
๐๐๐ ๐
๐๐๐๐๐๐๐ | ๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐ ny minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina.
''Mbola marefo ny indostrian'ny sinema eto amintsika noho ny fahavitsian'ny olona mampiasa vola amin'ny fanohanana ny sinema. Natao indrindra hisintonana ny mason'ny rehetra amin'ny fampiroboroboana ny sehatry ny sinema malagasy ny hetsika'', raha ny fanazavan'ny talen'ny Ivontoeran'ny Sarimihetsika sy Sarimiaina Malagasy eo anivon'ny minisiteran'ny Serasera sy Kolontsaina, Andriantseheno Josรฉ Dominique.
Tamin'ny taona 1937 no nisy sinema voalohany teto Madagasikara mikasika an'i Victoire Rasoamanarivo. Ezahana mba tsy hisy ho very ny zava-bita hatramin'izay, hoy hatrany izy, ary nojerena tamin'ny antsipirihiny avokoa ireo vokatra rehetra mba tsy hisy ho adinoina.
Araka izany, ''dingana iray lehibe hahafahatsika mametraka ny fahamatorany sy ny fahatapahan-kevitry ny mpisehatra amin'izany hiroso amin'ny matianina kokoa ity hetsika ity'', raha ny nambarany hatrany.
Nisokatra nanomboka omaly 3 martsa ny fanaterana sanganasa ary hifarana amin'ny 7 martsa. Fiction, sรฉrie, documentaire, animation sy long mรฉtrage kosa ny sokajy hifaninanana amin'izany.