Ho fanomezan-danja ny sehatry ny sarimihetsika, sy hanasongadinana ary hankasitrahana ireo nahavita be teo amin'ny tontolon'ny sarimihetsika malagasy, dia hanatanteraka ny andiany voalohany amin’ny 𝐌𝐀𝐃𝐀𝐆𝐀𝐒𝐂𝐀𝐑 𝐅𝐈𝐋𝐌 𝐅𝐄𝐒𝐓𝐈𝐕𝐀𝐋 | 𝐈𝐒𝐒𝐌 𝐀𝐖𝐀𝐑𝐃𝐒 𝟐𝟎𝟐𝟒 ny minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina.
''Mbola marefo ny indostrian'ny sinema eto amintsika noho ny fahavitsian'ny olona mampiasa vola amin'ny fanohanana ny sinema. Natao indrindra hisintonana ny mason'ny rehetra amin'ny fampiroboroboana ny sehatry ny sinema malagasy ny hetsika'', raha ny fanazavan'ny talen'ny Ivontoeran'ny Sarimihetsika sy Sarimiaina Malagasy eo anivon'ny minisiteran'ny Serasera sy Kolontsaina, Andriantseheno José Dominique.
Tamin'ny taona 1937 no nisy sinema voalohany teto Madagasikara mikasika an'i Victoire Rasoamanarivo. Ezahana mba tsy hisy ho very ny zava-bita hatramin'izay, hoy hatrany izy, ary nojerena tamin'ny antsipirihiny avokoa ireo vokatra rehetra mba tsy hisy ho adinoina.
Araka izany, ''dingana iray lehibe hahafahatsika mametraka ny fahamatorany sy ny fahatapahan-kevitry ny mpisehatra amin'izany hiroso amin'ny matianina kokoa ity hetsika ity'', raha ny nambarany hatrany.
Nisokatra nanomboka omaly 3 martsa ny fanaterana sanganasa ary hifarana amin'ny 7 martsa. Fiction, série, documentaire, animation sy long métrage kosa ny sokajy hifaninanana amin'izany.