Nosy Varika", andiany faharoa. Nomarihana tamin'ny hetsika maro isan-karazany izany, toy ny fampisehoana ara-koltoraly sy ny vakodrazana. Nosantarina tamin'ny fangatahan-tsodrano narahina diaben'ny fifankatiavana ny fotoana.Anisany tanjona ao anatin'ity "Festival Sakaleona" ity ny fampiroborobona ny toerana mampiavaka ny distrika, ny fanentanana ny mponina amin'ny fanajàna ny tontolo iainana ary ny famohazana ny hambo-po ara-kolontsaina ety ifotony. Nisy fifaninanana ara-panatanjahantena ihany koa nandritra izany. Ary nofaranana tamin'ny seho an-tsehatra lehibe niaraka tamin'ireo mpanakanto fanta-daza ao an-toerana sy ny faritra ny andro voalohany ao anatin'ity "Festival Sakaleona" ity izay mbola haharitra telo andro.