Actualités > FILAZANA FADY

FILAZANA FADY


Tsara ho fantatra momba ny fady sy ny fitondran-tena/fitafiana eny amin’ny Zomba – Belo Tsiribihina & AmbikyHo fanajana ny hasin’ny Zomba sy ny lova nentin-drazana, dia ireto manaraka ireto no fitsipika tsy maintsy hajaina ho an’ny mpitsidika sy ny mpandray anjara rehetra.1) Fitafiana na fisikinaTsy maintsy manao kitamby na lambahoany na lahy na vavy.Tsy azo atao ny mitafy lamba miloko mainty.Tsy mahazo misatroka (satroka/sabaka/casquette) rehefa miditra sy mitoetra eny amin’ny faritra masina.Tsy mahazo mitondra na manday kiraro na kapa (miditra tsy misy kiraro/kapa).2) Fomba aman-drazana ho an’ny vehivavy / “ampela”Atao jomira ny volo:Sivy (9) ny isan’ny jomira raha ho any Ampagnito.Valo ( ny isan’ny jomira ho an’ny olona tsotra/mpitsidika.Tsy mahazo manao tabaky ny ampela.3) Fady manokanaTsy azo atao ny fihetsika na asa miteraka na mandatsaka rà eny amin’ny Zomba.4) Fitondran-tena ankapobenyHajao ny fihononam-po, fahadiovana.Manaja mpitandrina fomban-drazana sy ireo mpitarika hetsika.IREO FITSIPIKA IREO DIA NATAO HIAROVANA NY HASINA SY NY FAHADIOVAN’NY TOERANA MASINA. MISAOTRA AMIN’NY FANAJANA. AVISÀ savoir concernant les interdits (fady) et les règles de tenue/conduite au Zomba – Belo Tsiribihina & AmbikyAfin de respecter la sacralité du Zomba et l’héritage ancestral, les règles suivantes doivent être strictement observées par tous les visiteurs et participants.1) Tenue vestimentaireLe port du kitamby ou du lambahoany est obligatoire, aussi bien pour les hommes que pour les femmes.Les vêtements de couleur noire sont interdits.Le port de chapeau, casquette ou couvre-chef est interdit dans l’enceinte sacrée.Il est interdit de porter ou d’utiliser des chaussures ou sandales (l’accès se fait pieds nus).2) Coutumes spécifiques pour les femmes / « ampela »La chevelure doit être coiffée en jomira :Neuf (9) tresses pour celles qui vont à Ampagnito.Huit ( tresses pour les simples visiteurs.L’usage du tabaky est interdit pour les ampela.3) Interdits particuliersTout acte ou geste pouvant provoquer ou faire couler du sang est strictement interdit dans l’enceinte du Zomba.4) Conduite généraleRespecter la retenue, et la propreté .Suivre les directives des gardiens des traditions et des responsables des cérémonies.CES RÈGLES SONT ÉTABLIES AFIN DE PRÉSERVER LA DIGNITÉ ET LA PURETÉ DE CE LIEU SACRÉ. MERCI POUR VOTRE RESPECT. Belo Tsiribihina & Ambiky

Publie le 25/08/2025 Par 451512 Categorie: Actualités