Mialohan'ny nitondrana azy tao amin'ny tranoben'ny Serasera sy ny Kolontsaina dia nisy ny lanonana ara-miaramila nanomezana voninahitra azy ireo.Ny maraina teo izy no niala tao Antsirabe, hanohy ny diany ho any Belo Tsiribihina toerana hametrahana azy ary mbola maro ireo toerana hijanonana mandrapahatonga any amin'izany toerana izany. Ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina MARA Volamiranty Donna dia manaraka azy ireo amin'ny lalana rehetra lalovany.