Henikaja sy heni-boninahitra ny Ampanjaka TOERA tamin’ny toerana rehetra nolalovany: Antsirabe, faritra Vakinankaratra hatrany Miandrivazo, faritra Menabe. Niditra ny vavahadin'i Menabe ny Ampanjaka TOERA sy mpitari-tafika roalahy. Maherifon’i Madagasikara tokoa izy ireo taorinan’ny 128 taona namonoana azy.Misaotra an’Andriamatoa Filoham-pirenena. Tianao tokoa ny Vahoakan’i Menabe. Mbola hoavy koa Andriamatoa Filoham-pirenena Andry Rajoelina hitokana fotodrafitr’asa maro ny faha-05 sy faha-06 septambra 2025.Ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina ary ireo parlementera izay tarihin’Andriamatoa Filoha Lefitry ny Antenimieran-doholona Faritra Atsimo Nicolas RABEMANANJARA sy ireo Depiote maro no miara-dia amin’ireo kabeso hatrany Belo sur Tsiribihina.