Notanterahina ny 21 sy 22 Oktobra 2025 teto amin'ny Tranombokim-pirenena eto Madagasikara - BNM Anosy.Talata 21 oktobra : fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny hetsika izay notarihan'Andriamatoa RAKONTONDRASOAVA Fetra, Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny kolontsaina.Anisan'ny nanamarika ity lanonam-panokafana ity : ny fampirantiana mahakasika ny fikambanana Havàtsa-Upem, ny fampirantiana ireo boky vaovao navoakan'ireo mpikambana ary ny tsiahy manokana ny Filoha lefitry ny fikambanana, Dol'aj Andriamihaja, izay nodimandry ny volana septambra lasa teo.Alarobia 22 Oktobra : fampahafantarana ireo boky vaovao na natonta fanindroany nosoratan'Andriamatoa Harilala Ranjatohery : - "Julie Marie", tantara foronina - "Itadiavam-bady i Dadatao", amboaran-tsombitantara - "Tandidona" izay mirakitra amboaran-tononkalo.Marihana fa i Andriamatoa Ranjatohery dia mpikambana mahefa eo anivon'ny Akademia malagasy.Tanjona iraisan'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina sy ny Havàtsa-Upem moa ny fanandratana ny teny malagasy amin'ny alalan'ny Haisoratra izay sady maneho ny maha Malagasy no mampiroborobo ny kolontsaina ihany koa.#MSK #BNM #Havatsa-upem