Kolontsain’ny Foko RABAKARA – Fiverenana amin’ny hasin-drazanaNotanterahin’ny Foko RABAKARA teo amoron'ny renirano MANAMBATO ny fomban-drazana, famerenan-kasina sy fitsofan-drano avy amin’ny vato "BORY" (vatolampy anaty rano) Fomban-drazana natao ho fanasoavana ny taranaka: hahazo fahasalamana, hitombo firaisankina, mba tsy hanadino ny tanindrazana, na mandeha lavitra aza.Nisy nandritra izany: Famonoana omby – fanehoam-boninahitra amin’ny fomba malagasy Tsipy rano masina nalaina amin’ny vato BORY sy nentina tamin’ny alalan'ny "LAGNANA" na siny volobeNanotrona ny fotoana ny Ramatoa Talem-paritra RASOANARISOA Egorine, izay nampita hafatra manentana ny rehetra " hitahiry sy hanandratra ny kolontsaina Atsimo Atsinanana."Teo ihany koa:-ireo tompon’andraikim-panjakana ato amin'ny Faritra- ireo Ray aman-dreny Ampanjaka avy amin'ny lafivalon'ny Faritra naneho firaisankinan'izy ireo.-ary ireo zanak’ampielezana Nisy ihany koa ny fanolorana vakoka “Lagnana” ho an’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy Kolontsaina Atsimo Atsinanana, avy amin’ny Foko RABAKARA. DRCC Atsimo Atsinanana “Serasera iraisagny, kolontsaigny misongadigny.”#Farafangana #Rabakara #KolontsainaMalagasy #AtsimoAtsinanana #FombanDrazana #Bory #Manambato #FitsofanDrano