Actualités > MIANDRANDRA FOTODRAFITR' ASA LEHIBE K...

MIANDRANDRA FOTODRAFITR' ASA LEHIBE KOKOA IREO MPANAO HIRAGASY

Tonga nihaona tamin’ny minisitra tetsy amin’ny Biraon’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina etsy Anosy ireo solotenan’ny mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny Hiragasy ao amin’ny FIMPIMAMAD.Nandritra ny fihaonana teo amin’ny roa tonta no nanoloran’ireto 𝐬𝐨𝐥𝐨𝐭𝐞𝐧𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐚𝐧𝐝𝐚𝐥𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐇𝐢𝐫𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 ireto ireo tolo-kevitra hoentina mampandroso hatrany ity sehatry ny kolontsaina malagasy ity, ka teo ny fanirian’izy ireo mba hanana 𝙆𝙞𝙖𝙣𝙟𝙖 lehibe kokoa, mahafeno fepetra na eo amin’ny toerana hipetrahan’ny mpijery na eo amin’ny fenitry ny fiarovana ireo mpihiragasy; Kianja mahazaka tarika roa na telo mifanandrina ary koa Kianja hahafahana manatanteraka 𝒔𝒆𝒉𝒐 𝒈𝒐𝒂𝒗𝒂𝒏𝒂 𝒆𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒂𝒅𝒚 𝒉𝒊𝒓𝒂𝒈𝒂𝒔𝒚. Nangatahin’izy ireo ihany koa mba hamafisina ny fiarovana ireo mpisehatra amin’ny Hiragasy eo amin’ny lafiny fandriampahalemana. Tetsy an-kilany dia naneho ny faniriany ny Minisitra mpiahy ny kolontsaina malagasy mba hihamafy bebe kokoa ny fifanohanana sy ny firaisan-kina eo amin’ireo samy mpisehatra amin’ny tontolon’ny Hiragasy, ny hanomezan-danja ny fifanajàna eo amin’ny samy tarika, satria 𝐭𝐨𝐤𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐧𝐣𝐨𝐧𝐚 dia ny hanomezana hasina ny Hiragasy sy 𝒉𝒂𝒏𝒂𝒏𝒅𝒓𝒂𝒕𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒗𝒐 𝒏𝒚 𝒌𝒐𝒍𝒐𝒏𝒕𝒔𝒂𝒊𝒏𝒂 𝒎𝒂𝒍𝒂𝒈𝒂𝒔𝒚. Mpisehatra amin’ny lafiny kolontsaina rahateo ny minisitra GASCAR Fenosoa ka mahatsapa ny hetaheta avy amin’ireo mpitahiry ny kolontsaina malagasy ary 𝐦𝐚𝐧𝐨𝐤𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐯𝐚𝐫𝐚𝐯𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐫𝐞𝐡𝐞𝐭𝐫𝐚 manana tolo-kevitra hoentina mampandroso ny kolontsaina malagasy na olompirenena tsotra na indrindra ireo fikambanana samihafa.

MIANDRANDRA FOTODRAFITR' ASA LEHIBE KOKOA IREO MPANAO HIRAGASY
MIANDRANDRA FOTODRAFITR' ASA LEHIBE KOKOA IREO MPANAO HIRAGASY
MIANDRANDRA FOTODRAFITR' ASA LEHIBE KOKOA IREO MPANAO HIRAGASY
MIANDRANDRA FOTODRAFITR' ASA LEHIBE KOKOA IREO MPANAO HIRAGASY
MIANDRANDRA FOTODRAFITR' ASA LEHIBE KOKOA IREO MPANAO HIRAGASY
MIANDRANDRA FOTODRAFITR' ASA LEHIBE KOKOA IREO MPANAO HIRAGASY
MIANDRANDRA FOTODRAFITR' ASA LEHIBE KOKOA IREO MPANAO HIRAGASY
MIANDRANDRA FOTODRAFITR' ASA LEHIBE KOKOA IREO MPANAO HIRAGASY
Publie le 10/11/2025 Par 451512 Categorie: Actualités