Manohy ny asa fampiroboroboana ny vaky boky ho an'ny daholobe (promotion de la lecture publique) ny Minisiteran'ny Serasera sy Kolontsaina amin'ny alalan'ireo ๐ฐ๐๐๐-๐๐๐๐๐๐-๐๐๐๐๐๐๐๐-๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐-๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ na ๐ช๐๐๐๐๐ ๐
๐ ๐ณ๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐
'๐จ๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐ช๐๐๐๐๐๐๐๐๐ (๐ช๐ณ๐จ๐ช) izay eo ambany fiahiana mivantan'ny Tranombokim-pirenena eto Madagasikara - BNM .
Kaomina 27 manerana ny nosy ankehitriny no ahitana CLAC, izay manampy betsaka ny ankizy sy ny tanora amin'ny fandratoana fahalalana. Fiaraha-miasa amin'ny Organisation internationale de la Francophonie (OIF) sy amin'ireo kaominina ny nananganana sy nampiodinana azy ireo. Miroso amin'ny fanatsarana azy ireny ny minisitera ankehitriny miaraka amin'ireo mpiara-miombon'antoka.
Tafiditra indrindra anatin'izany dia nohavaozina ireo fitaovana entina mitantana ireny CLAC ireny ary nohatevenina ny boky fianarana misy ao, ka ny talata 18 martsa 2025 no nanoloran'ny Reprรฉsentation de lโOIF - ocรฉan Indien ireo fitaovana sy boky ireo ny Minisitera.
Fotoana ihany koa ho an-dRamatoa Mara Donna, Minisitry ny Serasera sy Kolontsaina sy Andriamatoa ๐ฎ๐๐๐๐๐๐ ๐ต๐จ๐ฒ๐บ๐ฌ๐ผ ๐ต๐ฎ๐ผ๐ฌ๐ญ๐จ๐ต๐ฎ, solontenan'ny OIF miandraikitra an'i Madagasikara nitsidihana ny โ๐๐ธโ ๐๐๐ฅ๐ฃ๐๐๐ eto Ampefiloha.