Tanjona ny hahafahan’ireo mpiara-miasa 𝙢𝙖𝙣𝙖𝙩𝙨𝙖𝙧𝙖 𝙞𝙧𝙚𝙤 𝙩𝙤𝙡𝙤𝙩𝙧𝙖 ho fanomezana fahafaham-po hatrany ny mpihainon’ny Radio Madagasikara RNM 99.2 MHz araka ny 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙫𝙖𝙤𝙯𝙖𝙣𝙖 andrasan’ny olom-pirenena. Fantatra io nandritra ny fitsidihan’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina ny toeram-piasan’ny Onjampeom-pirenena malagasy, ka nahafahany nitafa mivantana tamin’ireo mpiara-miasa nihainoana ny tolo-kevitra fanatsaràna avy amin’izy ireo.Vakoka nitety vanim-potoana, ary maharaka ny fandrosoan’ny teknolojia maoderina ny Radiom-pirenena malagasy. Manana fahaiza-manao ireo teknisiana mikirakira ny RNM, ary matihanina ireo mpiara-miasa mampiodina azy ka rariny loatra raha hanohana azy ny minisitera mpiahy.