Ny zoma 14 novambra 2025 dia nanatanteraka fiofanana sy fizarana traikefa niarahana tamin’ireo mpisehatra amin’ny rohin’ny boky EKAR avy amin'ny faritra rehetra eto Madagasikara ny teto anivon'ny Tranombokim-pirenena sy ny trano famoaham-boky TENY. Lohahevitra : Ny rohin’ny boky sy ny satan’ireo matihanina amin’izany eto Madagasikara Ny fanentanana momba ny varotra boky Fihaonana niarahana tamin'i: RAZAFIMAMONJIRAIBE Fano, tompony sy mpitantana ny trano famoaham-boky TENY RAVAOARIMALALA H. Patricia, tompon’andraikitra ao amin’ny sampan-draharaha misahana ny fampiroboroboana ny rohin’ny boky ao amin’ny Tranombokim-pirenena Tanjona :Hanamafisana ny fiaraha-miasa sy hahamatihanina ireo mpisehatra amin’ny rohin’ny boky, ary hanandratana ny tontolon’ny boky eto Madagasikara. Miisa 28 ireo mpandray anjara tamin’ny fiofanana. Zava-dehibe ny hetsika toy izao eo amin'ny sehatry ny boky satria fanovozam-pahalalana sy fanamafisana ny fiaraha-miasa ho an'ireo mpisehatry ny rohin'ny boky izany. Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina , amin’ny alalan’ny Tranombokim-pirenena eto Madagasikara - BNM , dia manamafy hatrany ny fanohanana sy fiaraha-miasa amin’ireo mpisehatra amin’ny rohin’ny boky manerana ny nosy. Librairie Md Paoly Librairie Md Paoly Éditions Teny