Actualités > FAMPAHAFANTARANA ILAY TANTARA FORONIN...

FAMPAHAFANTARANA ILAY TANTARA FORONINA "DEUX COEURS DANS MON CORPS"

Harentsaina vaovao ny fisiana boky vaovao."Je suis Marao, j'ai grandi dans un ventre qui n'a pas voulu de moi..."Teny manasa antsika hiditra anaty tontolo iray misy taraina, tolona, ary fanavotana.Tamin’ny alarobia 19 novambra 2025, teto amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, dia nampahafantarina tamin’ny fomba miavaka ilay tantara foronina "Deux cœurs dans mon corps" nosoratan’i Na Hassi.Fizarana noravahana feonkira nifangaroan'ny nentim-paharazana sy moderina nataon’i Faragasy.Boky famerenana ny tontolo nitazaina azy ary misy tolona hoy Na Hassi. Nandritra ny efatra taona no nanoratany ilay tantara. Nisy ihany koa ny "accompagnement littéraire" avy amin’i Michèle Rakotoson izay mpanoratra manana ny maha izy eto Madagasikara.Amin’ny fiteny frantsay ny boky fa zava-misy eto Madagasikara no resahany. Azo vakiana amin’ny fomba tian’ny mpamaky azy raha ny firafiny.Na Hassi na Razafimahaleo Tonihasina dia mpikanto marolafy, mpikambana mavitrika ao amin'ny Madagaslam, Ligue des Femmes Écrivaines de Madagascar, Kanto Momba ny Soratra ao aminy Vavy.Raha ny sanganasany:- Prozodik, l'hystérique et ses masques, amboaran-tononkalo noraiketina am-peo novokarin'ny ArirArira Arts Project (2016).- Zana-bolana Femme lunaire, boky amboaran-tononkalo navoakan'ny Ranjasoa Publishing (2021), tononkalo roa tao anatin'io boky io no voantsonga miaraka amin'ny sanganasana mpanakanto malagasy 8 hafa ho anisan'ny tetikasa Lunar Codex : tetikasa goavana noforon'ilay amerikanina Samuel Peralta izay mandefa eny amin'ny volana ny sanganasana mpanakanto anarivony maro maneran-tany.- Restez vivants! tantara foronina miainga amin'ny tantaran'ny tena : boky mitantara ny slam-poezia niainga tany Etazonia sy ny nahatongavany teto Madagasikara, éditions Karné (2024).- Deux cœurs dans mon corps, tantara foronina navoakan'ny éditions Project'îles (2025) izay nahazo ny Prix Vanille 2025, catégorie oeuvre de fiction, mari-pankasitrahana natolotry ny La Réunion des livres, fikambanana ivondronan'ireo matihanina eo amin'ny tontolon'ny boky.🏛️ Ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina amin'ny alalan'ny Tranombokim-pirenena eto Madagasikara - BNM  dia misokatra ho an'ireo mpisehatra rehetra eo amin'ny boky amin'ny fanomezana sehatra toy izao. Izany dia natao ho fampiroboroboana ny rohin'ny boky eto Madagasikara."À ta naissance, tu n'es que mots, comme tous les autres. M.O.T.S. Incohérents. Insensés. Un être sans parole. Tu n'as encore rien vécu..."

Publie le 21/11/2025 Par 451512 Categorie: Actualités